VAOVAO TAMBATRA

Vao mainka niakatra ho 7 000 Ar ny kilaon’ny tongolobe eny amin’ny tsenan’ Andravoahangy. Nambaran’ny mpivarotra fa avy any amin’ny vidiny apetraky ny mpamongady azy ireo no mahatonga izany. Nilaza indray anefa ireto farany fa ny saram-pitaterana apetrak’ireo tompona fiarabe mpitatitra mihitsy no tena lafo.

Mampiranty sy mampahafantatra ny tontolon’ny vola sy ny fanamboarana izany etsy Analakely ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), nanomboka ny 7 ka hatramin’ny 18 mey izao. Hisy ihany ny lohahevitra samihafa horesahina mandritra ireo fotoana ireo, hetsika hamaranana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny BFM.

Nifanaraka ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, ny Fadintseranana fa hamidy ireo volamena nogiazana ka hapetraka ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara. Tanjona ny hampitomboina ny tahirim-bolamenam-pirenena. Tsiahivina fa antoka ho an’ny toekarena ny fananana tahirim-bolamena.

Tsara ny vokatra voanjo ho an’ny voly asara tany amin’ny faritra Menabe, tamin’ity taona ity 2024 ity. Nahatratra 13 500 ny voanjo niakatra, izay nahitana fitomboana 32%, raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Nahatonga izany ny tohana avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae), namatsy masomboly voafantina sy zezika ho an’ny tantsaha.

Partager sur: