Toe-karena

Startimes : Tolotra manokana hiatrehana ny fety ho avy

Manomana tolotra maromaro amin’ny televizionina ny Startimes, amin’izao antomotra ny fetin’ny Paka izao. Noha­zavain’ireo tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny orinasa, fa hisitraka ny tolotra ahazoana ny « bouquets supérieurs Classic sy Super, mitentina 50 000 Ar ny mpanjifa, raha manampy 5 000 Ar amin’ny bouquets Basis sy Smart andoavana 28 […]

Tontolo iainana : Fototry ny fanarenana ny sehatra tsy miankina

Te ho modely amin’ny fampandrosoana ara-tontolo iainana i Madagasikara. Io no hetahetan’ny « Initiative pour le développement, la restauration écologique et l’innovation » (Indri), hetsika tohanan’ny Agence française de développement (AFD) sy ny sehatra britanika Darwin Initiative. Nanomboka ny taona 2024, nahavory mpisehatra maherin’ny 150 avy amin’ny fanjakana sy tsy […]

Banky iraisam-pirenena : Manohana ny tetikasa Decim

Mitentina 73 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola hanafainganana ny fisitrihana herina­ratra eto Madagasikara. Hi­tombo 2,3 tapitrisa ireo olona hahazo tombony amin’ny alalan’ny famatsiam-bola ny tetikasa Decim. Tanjona ny hampakarana ho 80% ny taham-pisitrahana herinaratra ho an’ny taona 2030. Ka ho azo avy amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina, amin’ny alalan’ny « […]

WMG: Hanatanteraka « Salon du Chocolat et de la Gourmandise »

Hanasongadinana ny vokatra eto an-toerana no tanjona amin’ny « Salon du Chocolat et de la gourmandise », araka ny voalazan’ny mpikarakara. Hanampiana ny vehivavy hahaleo tena ny vola azo amin’izany. Hotanterahina etsy amin’ny Carlton Anosy, ny sabotsy ho avy izao, tontolo andro, ny « Salon du Chocolat et de la Gourman­dise ». Hetsika andiany […]

Fahaleovan-tena ara-tsakafo: Notolorana masomboly sy zezika biolojika ny MJS

Nanolotra hanam-pamokarana ho an’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo, omaly, tetsy Mahamasina. Nahitana zezika biolojika, karazana masomboly : katsaka, tsaramaso, voatabia, sy ny maro hafa ny tolotra. Hovolena eny amin’ny tanin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, eny Ankorondrano, ireo tolotra ireo. Hanatanteraka ny fambolena […]