Tsy mitsahatra mihena ny velaran-tany ambolen’ny tantsaha ny orge any Ambatofinandrahana, noho ny tsy fahafahan’ny mpandray ny vokatra mividy azy. Manampy trotraka ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro. Kivy ny tantsaha toa an-dRazafimahatratra Florent, mpamboly orge any Ambatomainty, fokontany Vinany, distrika Ambatofinandrahana. Nambarany fa : «tena loharanom-bola iankinan’ny ankohonana mihitsy ny fambolena ity zavamaniry […]
Toe-karena
Jirama: tonga ny kojakoja ho an’ny TAC 1
Tonga eto Madagasikara, ny alahady teo, ny kojakoja nafarana avy any ivelany hanarenana ny milina mpihary herinaratra TAC 1 eny Ambohimanambola. Novinavinaina ho efa omaly alatsinainy no vita ny fametrahana azy ireo ka hiverina amin’ ny laoniny ny tanjaka 15MW hatramin’ny 18 MW, mamatsy ny tambajotra RIA Antananarivo. Mandalo eto […]
Orinasa Star: manamafy ny indostria ny fambolena
Nampahafantatra bebe kokoa ny ezaka ataony hampandrosoana ny sehatry ny fambolena ny orinasa Star, nandritra ny Foara iraisam-pirenena FIA, natao ny 10-13 septambra teo, teny amin’ny CCI Ivato. Ankoatra ny vokatra Star mahazatra, naseho nandritra ity efatra andro ity koa ny vokatra vaovaon’ny orinasa. Nohamafisin’ny talen’ny Serasera, tamin’ny famelabelaran-kevitra nataony […]
Trafika volamena: olona dimy voarohirohy
Mitohy ny fanadihadiana mahakasika ilay trafika volamena farany teo. Nandraisana fepetra ihany koa ilay mpiasan’ ny Ladoany nanao fihetsika tsy mendrika tamin’ny mpandeha, niparitaka tanaty tambajotra sosialy. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Haban-tseranana (DGD) malagasy, Randrianjafy Antoine, omaly, fa mitohy ny fanadihadiana mahakasika ny fikasana hamoaka volamena antsokosoko, milanja 5,75 kg tratra […]
Fitaterana ana habakabaka: hiverina tsy ho ela ny Air Madagascar
Efa mikarakara ny fiverenany ho amin’ny marika Air Madagascar ny orinasa Madagascar Airlines. Vinavinaina ho tafapetraka manodidina ny faran’ny volana oktobra ny fiovana raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Madagascar Airlines, Rabarilala Rado, ny faran’ny herinandro teo. Efa efa-bolana nitantanana ny orinasany mantsy ny tenany ka nilaza fa mandroso ny dingan’ny […]





