Toe-karena

Fifanakalozana ara-barotra aty Afrika : manomana ny paikady mahomby i Madagasikara

Manomana ny fidirana ao amin’ny ZLE aty amin’ny kaontinanta Afrikanina i Madagasikara. Hofaritana ireo paikady nasionaly enti-manatanteraka ny fifanarahana. Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy ny ta­lata teo, teny Anosy ny tetikasa PA-ZLECAF izay hamaritra sy hanohana ireo paikady nasionaly ho an’ny tombontsoa eo amin’ny fifanakalozana malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikanina. Hi­andraikitra ny […]

Sehatra tsy miankina : hanamora ny fikirakirana taratasy ny e-work

Ho vita ao anatin’ny dimy andro ny fikirakirana ny antontan-taratasy ho an’ireo teratany vahiny manao fangatahana asa eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny e-work. Tafiditra ao anatin’ny Vovonan’ny haitao ara-kajy mirindran’ny Eco­nomic Development Board of Madagascar (EDBM) ny e-work. Araka izany,hampihena ny fivezivezena sy ny fotoana lany, indrindra ho an’ny sehatra tsy […]

MEAH sy ONG WHH : fanatsarana ny fitantanana ny fako

Natao sonia omaly 27 febroary ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana (MEAH), notarihin’ny minisitra Ravo­katra Fidiniavo, sy ny ONG Welthungerhilfe (WHH). Fifa­narahana miompana amin’ny fanatsarana ny fomba fitantanana ny fako, ao anatin’ny tetikasa “Passat-4”. Tohin’ny efa nataon’ny ONG WHH nanomboka ny taona 2014 […]

Ambatolampy Tsimahafotsy : namboly hazo 1 100 ny Airtel

Manana adidy amin’ny lafiny tontolo iainana ny orinasa Airtel Madagasikara. Miisa 1 100 ny zana-kazo (acacia, kini­nina, frêne) nambolena teny Ambatolampy Tsimahafotsy, ny 16 febroary teo. Nambaran’ny tale jeneraly (DG), Anne Catherine Tchokonte, fa « efa fanao mahazatra isan-taona ny fambolen-kazo, hananana tontolo maitso sy ho an’i Mada­gasikara. Vonona isika ho […]

Fadintseranana malagasy : nahazo ISO 9001-2015 ny « centre de valeur »

Sorodalana apetraky ny fadintseranana malagasy ny fahazoam-bokatra ara-kalitao sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Tratra ny tanjona, nahazo ny ISO 9001-2015 avy amin’ny orinasa Certi-Trust ny « centre de valeur »n’ny fadintseranana malagasy. «Voalohany amin’ny sampandraharaham-panjakana mahazo ny Certification ISO 9001-2015 ny Centre de valeur’ny Fadintseranana Malagasy”, hoy ny tale jeneralin’ny […]