Toe-karena

Rallye des industries : Miditra amin’ny dingana famaranana ireo mpifaninana

Hatao ny sabotsy 26 jolay izao, ny tapany farany amin’ny “Rallye des Industries”. Hotan­terahina amin’io ny lalao ma­nasa-dalana sy ny famaranana lehibe. Hanaporofo ny fa­haizany sy ny paikadiny ireo mpifaninana taorian’ny fifantenana tamin’ny 12 jolay lasa teo. Eo amin’ny sehatry ny fa­nondranana, ny tontolo iainana ary ny politika indostrialy no […]

Yas : Tohana ho an’ny fananan’asa

Manohana mivantana ny hetsika Fihaonamben’ny fampiofanana, ny asa ary ny fampananasan’asa (CFME) ny orinasa Yas. Hatao etsy amin’ny Alliance Française Andava­mam­ba (AFT), ny 28 jolay hatramin’ny 2 aogositra ho avy izao, ny andiany faha-9. Fotoana hihaonan’ny matihanina mi­vantana amin’ny fampidirana mpiasa, ny mpianatra ary ireo mitady asa. Eo koa ireo […]

50 taona ny Aro : Mitentina 194 miliara Ar ny vola kirakiraina

Tranom-piantohana lehibe indrindra eto Madagasikara ny Assurance Aro. Tanjony ny hidiran’ny Malagasy amin’ny sehatry ny fiantohana isan-karazany. Niorina ny taona 1935 ny orinasa fiantohana « La Préservatrice », niova ho «Préservatrice Madaga­sikara» ny taona 1974. Tao­rian’ny nandraisan’ny fanjakana ny orinasa vahiny, lasa Aro (Assurances Réassurances Omnibranches) ny anarany, ny taona 1975. Maro […]

« Salon de l’Habitat & Déstockage Pro 2025 »: Sehatra iray ho an’ny fanavaozana trano

Hotanterahina eny amin’ny Centre de conférence international (CCI) Ivato, ny 23 hatramin’ny 25 oktobra ho avy izao, ny hetsika « salon de l’habitat & déstockage pro. » Sehatra natokana ho an’ny matihanina sy ny olon-tsotra mitady va­haolana amin’ny fanorenana sy fanatsarana trano ity hatao ity, iarahan’ireo orinasa maro. Mikarakara izany ny Mada […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 22 ny feso na « dauphin » hita faty tany amin’ny Helidranon’i Besikidy, Nosy Hara, any amin’ny distrika Antsiranana II. Nahita azy ireo voageja tanaty ala honko, ny ekipan’ny Madagascar National Parks (MNP), nandritra ny fisafoana, ny 21 jolay teo. Ahina ho mety nitsoaka ny trozona mivezivezy an-dranomasina no nahafaty azy […]