Nandray anjara tamin’ny velakevitra nandritra ny Fihaonambem-paritra ara-toekarena (FER), andiany faharoa, natao tany Toliara, ny 17 sy 18 jolay teo, ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany (MMRS). Lohahevitra noraisina ny « Atsimo Andrefana, tany manan-karena an-kibon’ny tany ». Nisolo tena ny minisitera, ny talen’ny Kabinetra, Rakotomalala Tahiry Andriamiarintsoa, nanazava ny fampahafantarana ireo fanavaozana […]
Toe-karena
Nohavaozina ny lalàna: Afaka misitraka ny tsena karbôna ny rehetra
Nivoaka ny lalàna vaovao mifehy ny tsena karbôna, araka ny didim-panjakana lah.2025-626. Voakasik’izany ny fitantanana sy ny fivarotana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Milaza ity lalàna vaovao ity, fa « manan-jo handray anjara amin’ny fampihenana ny fiparitahan’ny entona karbôna ny olona na orinasa an’ny fanjakana na tsy miankina eto an-toerana na vahiny. […]
Filana andavanandro : Tafakatra 5 000 Ar ny kilaon’ny lafarinina
Mandalo fahasahiranana ny entana ilaina eo amin’ny fiainana andavanandro. Niaka-bidy ny lafarinina sy ny sira. Anisan’ireo entana eny am-pivarotana tena betsaka mampiasa, indrindra ho an’ireo olona tia mahandro sy manendy, ny lafarinina. Tsy mitombina tsara ny vidin’izy io, araka ny fanadihadiana natao teny amin’ireo tsena eny Isotry, omaly. Misy amin’izy […]
Fotoam-pialantsasatra : Fanarenana ny lalam-pirenena faha-2 sy ny faha-5
Lalam-pirenena anisan’ny be mpampiasa indrindra ny RN2. Toraka izany koa ny RN5, indrindra amin’izao fotoan’ny fialantsasatra izao. Mandeha ny fanarenana, toy ny miainga eto Antananarivo mankany Toamasina (RN2) sy ny Toamasina-Foulpointe-Soanierana Ivongo (RN5), hanamorana ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra. Ho an’ny RN2, mirefy 101 km (PK203-PK304) ny lalana arenin’ny […]
RSE : Nankalaza ny Mandela Day ny Airtel
Ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena azy, manana andraikitra amin’ny asa sosialy eo amin’ny fiarahamonina (RSE) koa ny Airtel. Niara-niombon’antoka ny orinasa sy ny masoivohon’i Afrika Atsimo, nankalaza ny Andro iraisam-pirenena Mandela, ny zoma 18 jolay teo. Nizarana boky ny zaza tsy ampy taona, tazonina eny amin’ny fonjan’Antanimora. Entina hanamafisana ny […]




