Ankoatra ny fandoavana ny haban-tseranana, manana andraikitra amin’ny fiarovana ny sisintany ihany koa ny ladoany. Nahatratra 14 ny fanagiazana biby arovana teto amintsika. Natao teto Antananarivo, ny 23 sy ny 24 jolay teo, ny atrikasa famintinana ny tatitry ny Firaisankina afrikanina mahakasika ny ady atao amin’ny fanondranana antsokosoko, hetsika “Sama”, […]
Toe-karena
Fanjifana : Efa ilaina andavanandro ny MVola
Miova tanteraka ny fanjifana! Araka ny efa namantarana azy tato anatin’ny 15 taona, fifanakalozana ara-bola niomerika amin’ny alalan’ny finday ny MVola. Tsy mila mikirakira ravim-bola intsony. Lasa vokatra ilain’ny andavanandron’ny (PPN) ny mpanjifa, ankehitriny, ny MVola. Azo ampiasaina handoavana ny fandaniana samihafa, toy ny faktioran’ny Jirama, ny saram-pamandrihana Canal +, […]
Ivato-Ambohitrimanjaka : Hisokatra amin’ny volana aogositra ny lalana
Vita ny ampahany farany amin’ny lalana « voie rapide » vaovao. Miainga eo amin’ny fihodinana « rond-point » Ivato Don Bosco, hatreny amin’ny fihodinana Andranotapahina. Mirefy 4 km ity ampahan-dalana ity, izay hanomboka hisokatra ho an’ny fifamoivoizana amin’ny fiandohan’ny volana aogositra ho avy io. Nijery ifotony teny an-toerana, ny minisitry […]
Bôndy : Arenina ny ala honko 40 000 ha
Ankalazaina anio 26 jolay ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala honko. Mandray anjara amin’izany ny orinasa Bôndy, nizara jiro manazava lalana miisa 250 amin’ny faritra 4 iasany. Misehatra amin’ny fiarovana sy ny fanarenana ny ala honko ny orinasa Bôndy, amin’ny alalan’ny tetikasa Ma Honko. Nambaran’ ny talen’ny Toekarena manga ao […]
VAOVAO TAMBATRA
Hisokatra amin’ny fiandohan’ny volana aogositra ny lalana Andranotapahina sy Ivato, ny Voie Rapide manomboka eo amin’ny Rond-Point Ivato Don Bosco hatrany amin’ny Rond-Point Andranotapahana. Manodidina ny 4 km ity ampahany farany ity. Nampahafantarina tany Ambovombe, ny fanovana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, ny 22 sy 23 jolay teo. […]




