Toe-karena

Taolagnaro-Vangaindrano: Ho vita tanteraka amin’ny 2027 ny lalam-pirenena, RN12A

Mandroso ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena, RN12A, mampitohy an’i Taolagnaro sy Vangaindrano. Misy koa ny fanamboarana tetezana hanoloana ny baka fiampitana. Anisan’ny fotodrafitrasa goavana hatao koa ny fampifandraisana mi­van­ta­na an’i Taolagnaro sy i Van­gaindrano. Hatao godirao tanteraka ny lalana, izay mizara ampahany efatra, amin’ny ankapobeny, ny asa. Voaloha­ny, ny Taolagnaro-Ebakika, […]

Hetsika vaovao – « iParticipate » : Sehatra niomerika ho an’ny tanora malagasy

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy amin’ny QG Tanora Ankorondrano, ny vovonana « iParticipate ». Natokana ho an’ireo tanora tia mandray andraikitra. Tonga nanokatra izany teny an-toerana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Mousta­pha Abdulah Marson. Araka ny fanadihadiana natao, sehatra niomerika vaovao natokana ho an’ny fandraisan’ny tanora sy ny […]

Toliara: Nahomby ny fihaonambem-paritra ara-toekarena

Resy lahatra ny rehetra fa hampiroborobo ny seha-pihariana hafa, ny fisian’ny orinasa vaventy mitrandaka harena an-kibon’ny tany. Anisan’izany ny tetikasa Base Toliara. Tapitra ny 18 jolay teo ny Fihaonambem-paritra ara-toekarena (FER), an­diany faharoa tany Toliara. Lohahevitra noraisina ny hoe « Fampandrosoana ny faritra Atsimo Andrefana, fampiroboroboana sy fanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena […]

VAOVAO TAMBATRA

Nitohy tany Brickaville ny « Diaben’ny Famo­karana », ataon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Nahatratra 500 ny tantsaha sy mpiompy nahazo fiofanana, ny 17 jolay teo. Niofanana ny teknika Pfumvudza, mamokatra be amin’ny tany kely, ny fambolem-bary Papriz mampiakatra ny vokatra, ny fambolena akondro, ny fanovana ny fiompiana sns. Nampahafantarina ny tomponandraikitra […]