Toe-karena

Fahavitan-tena ara-tsakafo : Haverina any Ambohibary ny Vohitry ny vary

Mifototra amin’ny fambolena ny 90% ny mponina any amin’ny kaominina Ambohi­bary, distrika Manjakandriana. Ankoatra ny vary, mamokatra ovy sy legioma hafa ihany koa ny tantsaha. Nihaona tamin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo (Sesa), Razanamahaefa Tahian’Ny Avo, omaly, ny ben’ ny Tanàna voafidy tany an-toerana, ny Dr Ratsimanetri­manana Fenosoa, lany tamin’ […]

VAOVAO TAMBATRA

Vinavinaina ho vita afaka 10 andro ny fivi­lian-dalana eo amin’ny reniranon’i Efasy. Tsy afaka ampiasaina kosa ny fiampitana «bac» any Mahavavy satria ambany loatra ny haavon’ny rano. Tsy afaka niampita, noho izany, ny olona sy ny fiara. Afaka 15 andro no heverina fa ho vitan’ny orinasa Colas ny fanamboarana ny […]

Madagascar Airlines : Saran-dalana manokana ho an’ny paka

Nitondra fanazavana mahakasika ny saran’ny tapakila manoloana ny filazana fa lafo ny saran’ny sidina ataony ny kaompania Madagascar Airlines. Misy ny saran-dalana ho an’ny «classe affaires» izay mandrakotra zotra efatra amin’ny famandrihana natao amin’ny fotoana be mpivezivezy, indrindra ny herinandro manodidina ny paka. Misy koa, hoy izy ireo, tapakila mora […]

fampiakaran-ketra 47% alain’i Etazonia : Ho avy ny fandroahana mpiasa amin’ireo « zone franche »

Hiantraika amin’ny toekarem-pirenena sy ny fiainan’ireo orinasa afakaba ny fampiakaran-ketra ho 47% alain’i Etazonia amin’ireo entana avy eto Madagasikara. Heverina ny hisian’ny fandroahana mpiasa sy fandefasana chômage teknika amin’ireo orinasa afakaba. Mampivarahontsana. Mampanahy ny ho­avin’ny toekarena sy ireo orinasa afakaba manoloana ny fampiakaran’i Etazonia ho 47 % ny hetra haloa […]

Fizahantany : An-jatony ny handray anjara amin’ny ITM 2025

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Mada­gasikara (ONTM) sy ireo mpiara-miombon’antoka, handray anjara amin’ny “Inter­national Tourism Fair Mada­gascar (ITM) 2025”. Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny asa tanana, Dewa Viviane, sy ny tale jeneralin’ny ONTM, Bari­velo Danny. Andiany faha-11 […]