Toe-karena

Fifandraisandavitra : Hosantarin’ny Yas ny tanjaka 5.5G

Nampahafantarina ny alakamisy 23 jolay teo ny andrana hampiasana ny teknolojia 5G Advanced (5.5G) eto amintsika. Voalohany mampiasa azy ny orinasa Yas Mada­gasikara ary fahefatra maneran-tany, aorian’ i Emira Arabo Mitambatra, Maorisy, Afrika Atsimo. Midika izany fa anisan’ny sangany amin’ny tontolon’ny fifandraisandavitra ity orinasa malagasy ity ary miara-miombon’antoka amin’ny Huawei. […]

Maevatanàna : Nogiazana ireo fitaovam-pitrandrahana volamena

Tratran’ny polisin’ny harena an-kibon’ny tany, ny 19 jolay teo, ny teratany vahiny nitrandraka volamena tsy ara-dalàna tany amin’ny fokontany Marotalona, kaominina Antsiafabositra, distrika Maevatanàna. Nogiazana ireo fitaovana fitrandrahana volamena goavana nampiasain’izy ireo. Mampiasa milina vaventy mihitsy ireo mpitrandraka toy ny fandavahana tany (tractopelles), ny fanivanana ny volamena, sns. Miisa telo […]

Karazan-javamananaina : Ahitana rohivoahary marolafy ny CMK Mahavavy-Kinkony

Midadasika, mitotaly 350 824 ha ny Vondrona faritra arovana Mahavavy-Kinkony (CMK) any amin’ny faritra Boeny. Mampiavaka azy ny fisian’ny rohivoahary samihafa, toy ny ala maina matevina, ny faritra mando an-tanety (farihy sy renirano) sy an-dranomasina, ny ala honko, sns. Ao anaty sokajy fahadimy, araka ny fandaharana iraisam-pirenena IUCN, Faritra Arovana […]

VAOVAO TAMBATRA

Hanomboka ny 31 jolay 2026 izao ny fanatanterahana ny tetikasa Fly Over, etsy Anosizato. Haha­ritra 2 taona tapany voalohany amin’ny asa, ataon’ny orinasa CGC. Hisy tetezana vaovao hatsangana, fa horavana kosa ny tetezana misy ankehitriny rehefa vita ny solony, sady hananganana ny Fly Over. Tsy ho tapaka ny fifamoivoizana. Tsy […]

PMLPT-Port Sec III : Tohanana ny fianakaviana voakasiky ny Tetikasa

Mitohy ny fanisana sy ny fanohanana ny tokantrano voakasiky ny fanatanterahana ny tetikasa Plateforme multimodale logistique et portuaire de Toamasina (PMLPT) ao amin’ny Port Sec III, Tsara­kofafa. Nambaran’ny Société du port à gestion autonome de Toamasina (Spat) fa laharam-pahamehana ny fanampiana ny fianakaviana voakasiky ny tetikasa sy hamaliana ny filany […]