Toe-karena

Toamasina: niverina ny fanamboaran-dalana

Mamatsy vola ny fanarenana ny Araben’ny fahaleovantena eto Toamasina ny orinasa Ambatovy. Mitentina 5 miliara Ar izany, izay avy amin’ny tamberim-bidy naloan’ity orinasa ity. Nitondra fanazavana ny tomponandraikitry ny orinasa Colas, manatanteraka ny asa, ny 9 septambra teo. Tsiahivina fa natomboka tamin’ny 17 jolay ny asa, izay tokony haharitra 4 […]

Foire internationale de l’agriculture (FIA): mampitombo ny sandam-bokatra eto an-toerana

Ambohipihaonan’ny mpamokatra, tantsaha, ny indostria, ny mpandraharaha ary ny mpampiasa vola ny Tsenabe iraisam-pirenena momba ny famokarana (FIA), andiany faha-8. Tsy afa-misaraka ny famokarana sy ny sakafo. An­tony hanatanterahana ny Fes­tival international de la Gas­tronomie (FIG) andiany faharoa, ihany koa. Na­nomboka omaly ary hitohy hatramin’ny alahady ny hetsika, izay atao […]

Pr Rajaonson Hugues: « Mety hampitombo ny hosoka ny hetra be loatra »

Maneho hevitra ny mpahay sady mpampianatra toekarena, ny Pr Rajaonson Hugues, manodidina ny hetra eto Madagasikara. Mila tohanan’ny fanjakana ny fiforonan’ny orinasa madinika sy salantsalany. Ho an’ny profesora Raja­onson Hugues, aleo mampitombo ny fototry ny hetra toy izay mampitombo ny vesatry ny hetra. Mety ham­pitombo ny hosoka ary manakana ny […]

Fampidiran-jiro: mahatratra 13 000 ny fangatahana miandry

Maro ny fitarainana voaray fa nangataka fampidiran-jiro vaovao nefa tsy nahazo valiny. Manome fanazavana ny tomponandraikitra ao amin’ny Jirama fa tena marina io fitarainana io. Misy kosa ny fandaminana napetraka. Hatreto, tsy mandray ny fangatahana fampidiran-jiro vaovao ny Jirama, fa ifantohana aloha ireo fangatahana taloha. Manodidina ny 13 000 ny fangatahana […]

Secren: 10 miliara Ariary hanohanana ny fanarenana

Fanampiana ara-bola mivantana. Mitentina 10 miliara Ar ny famatsiam-bola omen’ny fitondram-panjakana ny Société d’études, de construction et de réparation navales (Secren) hanamafisana ny renivolany sy hanohanana ny fanarenana ny orinasa. He­tsika tafiditra ao anatin’ny ezaka hamahana ny olana mianjady amin’ity orinasa ao Antsiranana ity. Tonga teny an-toerana ihany koa ny […]