Toe-karena

Fifaninanana Fokontany Madio : Azon’i Manjakamiadana ny laharana voalohany

Nifarana ny alakamisy teo, teny amin’ny Havoria Anosy, ny andiany voalohany amin’ny fifaninanana “Fokontany Madio”. Hetsika nokarakarain’ny minisiteran’ny Rano, ny fahadiovana ary ny fidiovana, ao anatin’ny tetikasa “Madagasikara Madio”. Niarahana tamin’ny Kaominina Antananarivo Renivo­hitra sy ireo mpiara-miombon’antoka. Nahazo ny laharana voalohany, nandritra ny fifaninanana, ny fokontany Manja­kamia­dana (Boriborintany faha-2). Nahazo […]

Fandaharanasa PCP : Rafitra hananganana indostria maharitra

Paikady hampivoarana sy hampiroboroboana ny indostra malagasy ny « Programme For Country Partnership » 2026-2030. Fandaharanasa iarahan’ny fanjakana sy ny Onudi manatanteraka. Omena vahana ny hanodinana ny akora fototra eto an-toerana, hiantohana ny famoronan’asa mendrika ho an’ny tanora. Manana loharanon-karena tsy voatran­draka i Madagasikara, izay soa fanararaotra ho fampiroboroboana ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Atsahatra vonjimaika ny fihodinan’ny ampahany amin’ny Accelator ao Mandroseza, anio, noho ny fikojakojana atao ao an-toerana. Hanomboka amin’ny 7 ora maraina ny asa, izay haharitra ora valo. Hikorontana ihany koa ny famatsian-drano amina faritra maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Toy ny eny Ambohijatovo, Faravohitra, Ambatonakanga, Antanina­renina, Ambatovinaky, Ambohidahy, Amparibe, […]

Famatsiana solika : Mikasa hanafatra any Oman i Madagasikara

Mikasa hanafatra solika mivantana any Oman i Mada­gasikara. Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny filoha, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël sy ny delegasionina avy any Oman notarihin’ny Ab­dulsalam Bin Al Murshidi, filohan’ny fahefana misahana ny fampiasam-bola ao Oman, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloho, ny talata teo. Voaresaka manokana ny famatsiana solika izay azo […]