Toe-karena

Vina 2035: Afaka mandray kaontenera 1 tapitrisa ny seranan’i Toamasina

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tanjona lehibe ny hahafahany mandray kaontenera 1 000 000 amin’ny taona 2035. Dinidinika niarahana tamin’ny tale jeneraliny (DG), Avellin Christian Eddy. Gazety Taratra (*) : Aiza ho aiza ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ? Avellin Christian Eddy (-) : Nanomboka ny […]

Antsirabe sy Betafo: mihodina ny taninketsa indostrialy

Am-perinasa tanteraka ny milina mpanodim-bokatra na­petraky ny minisitry ny Fam­piroboroboana ny indostria sy ny varotra, (MIC) Razafindra­vahy Edgard, ao Antsirabe I sy Betafo, ny sabotsy teo. Mamokatra paoma hatrany amin’ny 10 000 t isaky ny taom-pamokarana Antsirabe. Noho izany, hanodina paoma 500 kg isan’ora ny milina fanamboarana “cidre”, hotantanin’ny Ampalia Madagasi­kara, […]

Imerintsiatosika : apetraka ny ivontoerana fivarotana tandrok’omby

Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fanakaikezana ny mpanao asa tanana ho fampiroboroboana ny seha-pihariny sy hitondram-bahaolana ho an’ny sehatrasa ataony. Tonga nitsidika toerana mpanodina tandrok’omby iray ao Imerintsiatosika, noho izany, ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriamandranto Joël, ny zoma teo. Tapaka nandritra ny fifampiresahan’ny roa tonta fa […]

Qatar Airways: hanao sidina eto Madagasikara isan’andro

Misokatra ho an’ny firenena avy ao Moyen Orient ny lanitr’i Madagasikara. Hanao sidina mandritra ny herinandro mampifandray amin’ny firenentsika ny kaompania Qatar Airways. Hitombo ny isan’ny sidina iraisam-pirenena hampitohy an’i Mada­gasikara amin’ireo firenena any ivelany. Natao ny zoma teo, tetsy Anosy, ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny […]

Famokarana: hatsaraina ny fiaraha-miasa

Natao ny alakamisy teo, teny Anosy, ny dinika niarahan’ny tantsaha mpamokatra manerana an’i Madagasikara sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratohari­jaona Rakotoarisolo Suzelin. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny zava-misy sy ny lesoky ny fiaraha-miasa hatramin’izay teo amin’ny minisitera sy ny vondron’ny tantsaha mpamokatra. Samy nitondra ny hetahetany sy […]