Toe-karena

EPP Ivato : Nisitraka dabilio vita amin’ny fako plastika

Ao anatin’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy (RSE) sy ho fikajiana ny tontolo iainana ary ho fanatsarana ny fanabeazana eto Madaga­si­kara, nisitraka dabilio vita amin’ ny fako plastika voahodina ny EPP Ivato Base, omaly. Fia­raha-miasa telo sosona avy amin’ny Andao Company, Total Energies ary Ravinala Airports no nahazoana ny vokatra. Tanjona ny […]

50 taona ny Fofifa : Hikaroka masomboly vary, vaovao, efatra sahaza ny toe-tany

Misehatra amin’ny fikarohana masomboly ny Fofifa nandritra ny 50 taona. Tanjona manaraka napetrany ny hamorona masomboly vary miisa 4 mahatanty haintany. Fotoan-dehibe ho an’ny Foibe fikarohana mom­ba ny fambolena (Fo­fifa), omaly. Notokanana ny tsangambato faha-50 taona sy ny efitrano malalaka “Amphi Théâtre” eny Ampandrianom­by. Lohahevitra amin’ity jobily volamena ity ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 2 ny angidimby hampiasaina hamonoana andiam-balala any amin’ny faritra Ihorombe sy Anosy. Andiam-balala maherin’ny 20 novonoina tany Ihorombe ary 4 tany Anosy, hatramin’ny 5 jona teo. Misy famantarana manokana ireo angidimby manao ny asa. Avela 48 ora vao mahazo miditra ny toerana norarahana fanafody ny biby fiompy sy ny […]

Asa tanana malagasy: Nitentina 38 tapitrisa euros ny fanondranana tany ivelany

Nankalazaina, omaly, teny amin’ny MBC Ivato, ny Andro maneran-tany ho an’ny asa tanana (JMA). Lohahevitra noraisina ny hoe, «andao hifanome tanana, hanandratra ny fahaiza-manao malagasy». Nohamafisin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa ta­nana, Dewa Viviane, fa «ny asa tanana dia mihoatra lavitra noho ny asa fivelomana fotsiny. Vakoka ara-kolontsaina ho […]

Airtel-UVVT : Toe-tsaina mandala ny tontolo iainana

Nikarakara hetsika manokana, «Escape Game-Save the Earth», ny orinasa Airtel sy ny fikambanana klioba «Unis vers Vintsy Tanà» (UVVT), ny 5 jona teo. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (JME). Nifantoka tamin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana ho an’ny mpiasan’ny Airtel, miompana amin’ny fitantanana ny fako plastika, […]