Araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra, natao afakomaly, nesorina teo amin’ny toerana maha tale jeneralin’ny Kaomisiona mitantana ny sidina ana habakabaka (ACM) azy, ny kolonely Gervais Damasy. Antony iray nahatonga izao fanapahan-kevitra izao ny raharaha “Boeing 777”, izay naiditra antsokosoko any Iran. Mbola voatazona vonjimaika any am-ponja moa ity […]
Toe-karena
Fampandrosoana ny sehatry ny varotra : Hanatsara ny tolotra sy ny vokatra aondrana ny Fanjakana
Hametraka paikady vaovao hanatsarana ny vokatra aondrana any ivelany i Madagasikara. Nisy ny atrikasa natao omaly, teny Anosy, mahakasika izany. Notanterahina tetsy Anosy, omaly, ny atrikasa lehibe nokarakarain’ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), tohanan’ny Padeir. Araka ny fanazavana voaray, nifantoka tamin’ny fanamafisana ny varotra ivelany ny atrikasa. […]
VAOVAO TAMBATRA
Araka ny vaovao navoakan’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny toekarena, omaly, nanatanteraka fivoriana arakasa, nanomboka ny 4 hatramin’ny omaly, ny iraka avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena FMI, tarihin’i Constant Lonkeng Gouana. Tanjona ny hahafahana mijery ny fandrosoan’ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy izy ireo. Tafiditra anatin’ny fanomanana ny fanaraha-maso fahatelo ny Fec […]
Famokarana ambanivohitra : Fampiofanana ho an’ny vehivavy
Vita sonia ny 9 septambra teo ny fiaraha-miasan’ny telo tonta. Nanatanteraka izany ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahaleovatena ara-tsakafo (Sesa), Razanamahefa Tahian’Ny Avo, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fampanananasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ary ny filohan’ny Federasionin’ny vehivavy avy any Hunan Sina, Yang Lansing. Tanjona ny hanofanana ny vehivavy ara-pamokarana, […]
Fanatsarana ny velon-tena : Ala honko 15 000 ha harenina any Boeny
Harenina ny ala honko any amin’ny faritra Boeny. Tsinjovina ihany koa ny velon-tenan’ny mponina eny ifotony. Tafiditra amin’ny tetikasa iray an’ny Bôndy Madagasikara izany. Nanomboka ny taona 2021 ny tetikasa Honko, tanterahin’ny orinasa Bôndy. Miisa efatra ny faritra iasany, Diana, Sofia, Boeny ary Melaky. Tanjon’ny tetikasa ny hanarenana ny ala […]





