Toe-karena

Jono : mamokatra trondro 700 taonina isan-taona ny PADM

“Mamokatra trondro 700 taonina isan-taona ny tetikasa fiompiana trondro maharitra eto Madagasikara (PADM) noho ny ezaka nataony. Namorona asa manodidina ny 5 120 koa ny tetikasa”, hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Pau­bert, nandritra ny atrikasa famaranana ny tetikasa “PADM” tetsy Ambodivona, omaly. Vaindohan-draharahan’ ny tetikasa […]

Tanamasoandro Imerintsiatosika : velaran-tany 20 ha novolena zana-kazo

Nisokatra omaly tamin’ny fomba ofisialy ny taona fambolen-kazo. “Fambolen-kazo manarina ny tontolo iainana sy mamelon’aina no tanjona”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Tontosa teny Imerintsia­tosika, omaly, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024. Niatrika izany ny filoham-pirenena, Rajoelina An­dry mivady niaraka tamin’ny mpikambana eo anivon’ny go­vernemanta sy olo-manankaja maro. […]

Cenhsoa: hisy ivontoerana ho an’ny zaza

Hanana ivontoerana ma­nokana misahana ny fandidiana fo, sokafana ho an’ny zaza, ny “Centre Hospitalier de Soavinan­dri­ana”, Cenhsoa, hanomboka ny volana avrily ho avy izao raha toa ka tsy misy ny fiovana. Hisitraka fitsabona sahaza azy ireo zaza manana aretim-po kanefa sahirana tsy manana fahahafana manao Eva­san. “ Tontosa, vokatry ny […]

Fampandrosoana : manan-danja ny harena an-kibon’ny tany

Manamafy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ao anatin’ny fandaharanasa ho an’ny fampindramam-bola nitarina (Fec), andiany fahefatra, fa hanatsara ny fampidiran-ketra avy amin’ny harena an-kibon’ny tany ny fanavaozana ny lalàna mifehy azy. Ahafahana manao tetikasa maro, hananganana fotodrafitrasa sy tetikasa sosialy maro izany. Hampiakatra ny vola miditra amin’ny fanjakana ny famerenana ny […]

Fampiroboroboana ny indostria : hiara-hiasa ny minisitera sy ny ONUDI

Dingana iray fanoitra amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fampiroboroboana ny indostria. Naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) ny rafitry ny Firenena mikambana misahana ny fampandrosoana ny indostria (ONUDI) amin’ ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ity sehatra ity eto Madagasikara, nandritra ny fihaonan’ny roa […]