Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Angatahin’ny depiote ny hanarenana haingana ny lalana Moramanga-Anosibe An’Ala. Anisan’ny lahatenin’ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana izany, satria efa ela no niandrasan’ny mponina an’iny lalana iny. Maro koa ny depiote mitaraina amin’ny delestazy sy ny haratsian-dalana, ny fotodrafitrasam-panjakana samihafa. Mandroso ny asa fanamboarana ny arabe Voie rapide, mampitohy ny seranan-tsambon’i Toa­masina […]

Fifandraisan-davitra : Namoaka ny « cartoréseau interactive » ny Artec

Nampahafantarin’ny Autorité de régulation des téchnologies de communication na Artec ny vovonona ana habaka «cartoréseau interactive». Fitaovana ahafahan’ny besinimaro mahita amin’ny fotoana rehetra ny fandrakofana finday manerana ny Nosy izay azo jerena ao amin’ny tranokala https://www.artec.mg/cartoreseau/. Anisan’ny namolavola ity fitaovana ity ireo ekipa teknikan’ny Artec. Tanjona ny hampahafantarana ny rehetra […]

ITM-IHM : Misarika mpizahatany ny asa tanana

Nosantarina, omaly, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany, andiany faha-11, (ITM) sy ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny asa tanana (IHS), andiany faharoa. Nitarika ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry. Maherin’ny 500 ny mpandray anjara, ahitana ireo mpisehatra amin’ny fizahantany sy asa tanana isan-tsokajiny. Firenena nasaina manokana i Maraoka, notarihin’ny minisitry […]

VAOVAO TAMBATRA

Zara raha tapakandro sisa ny fotoana ahazoana ny herinaratry ny Jirama, izany hoe, mihodina 50%. Mitotaly adiny 10 hatramin’ny 12 ora isan’andro ny delestazy. Tapaka manomboka amin’ny 7 hatra­min’ny 11 ora maraina (adiny 3), amin’ny 3-6 ora (ora 3), amin’ny 10 alina -3 maraina (ora 5). Izany hoe, zara raha […]