Toe-karena

GEFP: haloan’ny fanjakana ny TVA 57 miliara Ar

Hiroso amin’ny fandoavana ny tataon-ketra (TVA) mitentina 57 miliara Ar ny fanjakana taorian’ny dinika nifanaovan’ ny Groupement des entreprises franches et partenaire (GEFP) sy ny fanjakana malagasy, ny herinandro teo. Tompon’andraikitra voakasika voalohany sady solontenan’ny sehatra tsy miankina ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra ary ny minisiteran’ny Toekarena […]

Banky iraisam-pirenena: hamatsy vola 4 miliara dolara mahery an’i Madagasikara

Hanome famatsiam-bola mitentina 4 130 000 000 dolara an’i Madagasikara ny Banky iraisam-pirenena hanohanana ireo tetikasa goavana izay tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ankapoben’ny fanjakana. Manokana teti-bola mi­tentina 4 130 000 000 dolara ny Banky iraisam-pirenena hamatsiana ireo tetikasa lehibe 26 ao anatin’ny fandaharanasan’ny Banky iraisam-pirenena ho an’ny fampiasam-bola ho an’i Madagasikara (Programme d’investissement de la Banque […]

Rotary Vovonana Analamanga: nahazo jiro ny fokontany 11 any Manalalondo

Natolotry ny fikambanana Rotary Club Analamanga (RCA) Vovonana ny fikambanana Vonona avy any Mana­lalondo ny jiro manazava arabe miisa 33, ny sabotsy 17 febroary teo. Nanatante­raka izany ny filohan’ny RCA Vovonana, Randrianarisoa Malalatiana, sy ireo mpiray fikambanana aminy. Hotsin­jaraina any amin’ny fokontany miisa 11, ao anatin’ny kaominina Malalalondo, distrika Arivonimamo, […]

Tsena iraisam-pirenena: miisa enina ireo orinasa nahazo alalana hanondrana volamena

Miverina misokatra ny fanondranana volamena mankany ivelany rehefa niato nandritra ny efa-taona. Hentitra ny fanaraha-maso sy ny fepetra takina amin’ ny fandraharahana Fantatra avokoa ireo orinasa nahazo alalana hanondrana volamena mankany ivelany. Miisa enina izy ireo izay miparitaka manerana an’i Madagasikara. Naseho ampahibemaso teny amin’ny Mining Business Center (MBC) Ivato, […]

Varotra ivelany: hanohana an’i Madagasikara ny fandaharanasa CIR

Vonona hanampy an’i Ma­da­gasikara eo amin’ny seha-pihariana lavanila ny fandaharanasa “cadre integré renforcé (CIR)” toy ny natao tany amin’ ny nosy Comores izay nanaovana fandinihana manokana sy matihanina. Nentin’ny mpan­drindra eto anivon’ny firenena ny fandaharanasa CIR, Paulin Zambelongo, teo amin’ireo mpikambana ana­tin’ny komity mpitantana nasionalin’ny fandaharanasa ny vokatry ny fanohanana […]