Toe-karena

Tetikasa fihariana: Mitety faritra mampahafantatra ny fandraharahana

Napetraky ny fanjakana ha­nohanana ny fandraharahana ny fandaharanasa Fiha­ri­ana. Nanomboka ny taona 2019, nahatratra 87 000 ny na­hazo tohana taminy, manerana ny faritra 23, nahazo fa­ma­tsiam-bola mitentina 199 miliara Ar. Disitrika 4 (Samba­va, Antalaha, Andapa, Vohe­mar) any Sava, no nandehanan’ny ekipan’ny Fihariana ny 20-24 mey teo. Nohainoina ny filan’ny mpandraharaha, […]

Fitrandrahana : Ambatovy, orinasa mpitrandraka tomponandraikitra

Nampahafantatra ny anjara asan’Ambatovy eo amin’ny tontolo iainana sy ara-tsosialy nandritra ny varavarana misokatra nataony teny amin’ny Mining Business Center (MBC) Ivato, ny orinasa, ny 3 ka hatramin’ny anio 7 jona. Nozaraina ireo fanamby atrehin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny ta­ny eto Madagasikara sy ny anjara birikiny ho fampandrosoana ny toekarena. […]

Vaovao tambatra

Tsy azo ihodivirana ny delestazy ho an’ity taona ity. Lasa aloha loatra ny haintany, miiba ny famokarana herinaratra ao Andekaleka ka mahatonga ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny eto Anta­nanarivo sy ny manodidina. Miakatra hatrany amin’ny 5% isan-taona ny fangatahana fampidirana herinaratra noho ny fitomboan’ny mponina ka mitarika ny tsy fahampian’ny fitsinjarana. […]

Fampiasana ny angovo madio : Vonona hanohy ny asany ny Marea

Nanamafy ny fahavononany hampiroborobo ny fampiasana angovo madio sy azo havaozina eto Madagasikara, tanjona iray apetraky ny fan­jakana ho an’ny taona 2030, ny Madagascar Renewable Energy Association (Marea). Nivoitra izany nandritra ny fivoriambe voalohany nataon’ny mpikambana ny 28 mey teo. Fotoana nampahafantarana ny rehetra ny filoha vaovao, Rémy Huber, hitantanana […]