Toe-karena

RCA Vovonana : manohana fikambanana

Fikambanana niorina tamin’ny taona 2022 ny Association nos enfants extraordinaires eny Ambodifasika Itaosy. Misahana ny fanabeazana sy fikolokoloana ny zaza tsy tena tomombana ara-tsaina (autiste) izy ireo. Nahatsiaro ho manana adidy amin’izany ny fikambanana Rotary club Analamanga (RCA) Vovonana ka nitondra fanampiana, ny sabotsy 17 febroary teo, teny an-toerana. Nilaza […]

Angovo : maro ireo tetikasa atao ao anatin’ny 100 andro

Tetikasa goavana hanavao sy hanatsara ny sehatry ny angovo eto Madagasikara no hotanterahina manerana ny Nosy ao anatin’ny zato andro. Anisan’ireo andry telo lehibe iankinan’ny Poli­tika ankapoben’ny fanjakana ny sehatry ny angovo. Ankehitriny, tafapetraka avokoa ireo tetikasam-panjakana hanatsarana ny sehatry ny angovo izay hotanterahina eto Madagasikara, mandritra ny 100 andro. […]

Toekarena manga maharitra : hamafisina ny fiarovana ireo biby lehibe an-dranomasina

Hiara-hiasa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, ny Fizahantany sy ny asa tanana ary ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga amin’ny fijerena ireo biby lehibe an-dranomasina. Vita sonia teo amin’ireo minisitera telo tonta sady nampahafantarina ny alakamisy teo, teny Ambodivona, ny lalàna mifehy ny fijerena ireo biby […]

Fifandraisana iraisam-pirenena : hanohana an’i Madaga­sikara ny Britanika

Vonona hanohana an’i Madagasikara ny firenena Britanika, amin’ny alalan’ny fandaharanasa ara-barotra “Developping Countries Trading Scheme, (DCTS) » na Rafitra fifanakalozana eo amin’ny firenena andalam-pandrosoana. Tanjona ny hanohanana ara-toekarena sy hanalefahana ny vidim-piainana aty amin’ireo firenena andalam-pandrosoana. Afaka manondrana entana sy vokatra mankany amin’ny tsena britanika ireo Malagasy mpandraharaha. Tsy ho tataovan-ketra […]

Krizy ara-tsakafo: tafakatra 600 dolara ny vidim-bary iray taonina

Atahorana ny hisian’ny krizy ara-bary aty Afrika. Antony, tafakatra amin’ny vidiny ambony indrindra, 600 dolara (2 700 000 Ar) ny iray taonina (izany hoe 2 700 Ar ny kilao) eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ankehitriny. Nambaran’ny mpahay toekarena sady mpikaroka ao amin’ny Anteni­mi­eran’ny fambolena, Thierry Pouch, tamin’ny fampahalalam-baovaon’ny France 24, ny janoary 2024 […]