« Collaboration commerciale » Niofo ny orinasa Baobab Plus, lasa Izili Madagascar no hiantsoana azy manomboka izao. Nihatsara manaraka izay ihany koa ny tolotra ka homen-daka ny filana fototry ny vahoaka malagasy, toy ny angovo sy ny tontolon’ny niomerika. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Gara Soarano Analakely izany, afakomaly. […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Mihamafy ny delestazy eto an-dRenivohitra, izay maharitra adiny telo, ary indroa miatoana. Misy ny tapaka vao maraina amin’ny 5 ora hatramin’ny 8 ora, ary misy ny tapaka amin’ny hariva amin’ny 5 ora hatramin’ny 8 ora alina. Misy koa ny fahatapahana amin’ny alina. Heverina fa mbola hihamafy ny delestazy satria tonga […]
Mpanjono ao Melaky : Nanolotra fotodrafitrasa vaovao ny minisitera
Manankarena amin’ny resaka hazandrano tokoa ny faritra Melaky, indrindra any amin’ny distrikan’i Maintirano sy Antsalova. Mba hanohanana ireo mpanjono madinika sy hampakarana ny fari-piainan’izy ireo, natolotry ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), izay tarihan’ny minisitra Mahatante Paubert, ny fotodrafitrasa lehibe ahafahana mitahiry sy manatsara ny fitantanana ny vokatra. […]
Base Toliara : Madiva hifarana ny fanamboarana fotodrafitrasa sosialy
Mitohy ny fampiasam-bola ataon’ny Base Toliara miompana amin’ny fanohanana ara-tsosialy ny mponina. Mandroso ny tetikasa ary azo tsapain-tanana ny zava-bita. Anisan’izany ny fanarenana ny EPP Ankilimalinike sy Benetse, distrika Toliara II. Vita hatrany amin’ny 80% ny asa, ankehitriny. Tratra ny fe-potoana napetraka satria hentitra ny fanatanterahana azy. Nilaza ny mpandrindra […]
VAOVAO TAMBATRA
Hatao ny 4 hatramin’ny 7 septambra ho avy izao ny FIA, Foara iraisam-pirenena ho an’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, eny amin’ny CCI Ivato. Hiaraka tontosaina amin’io koa ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny nahandro, andiany voalohany. Izany hoe, hiaraka ho hita eny ny lafiny famokarana, ny fanodinam-bokatra, hatrany […]





