Toe-karena

Tetikasa Sambatra: Mpanao taozavatra miisa 67 nofanina

Nosokafana ny talata 27 mey teo, tetsy Andavamamba, ny fanofanana arakasa ho fanohanana sy fampivoarana ny tanora sy ny vehivavy tokan-tena. Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA) amin’ny alalan’ny tetikasa Sambatra, sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ary ny fikambanana Action et Education, ao anatin’ny tetikasa Sandratra. Tsiahivina […]

Toekarena mihodina : Hamafisina ny tetikasa kopakelatra

Olana goavana atrehin’izao tontolo izao ny loto avy amin’ ny tavoahangy plastika. An-tapitrisany isan-taona ny ariana sy very eny rehetra eny. Manoloana ireo, hamafisin’ny orinasa Star ny tetikasa Kopakelatra, hitantanana ny fako plastika. Miisa 131 ny vata naparitaka, 93 amin’ny toerana stratejika an-tanàn-dehibe miisa enina. Natao hanangonana ny tavoahangy plastika […]

Diplaomasia : Nampahafantatra ny « plats classiques » i Turquie

Toy ny fanao nanomboka ny taona 2022, nankalazaina ny 23 mey teo, teny amin’ny masoivoho tiorka Ivandry, ny Andron’ny sakafo tiorka. Niavaka tanteraka ny hetsika tamin’ity taona ity noho izy nifantoka tamin’ireo sakafo fahita andavanandro sy eny rehetra eny na « plats classiques ». « Sakafo ara-pahasalamana sy feno otrika hery isan-karazany ary […]

Tontolo iainana : Hatao nosy tsy misy plastika i Sainte Marie

Nosokafana tany amin’ny Nosy Boraha, na Sainte Marie, omaly hatramin’ny 4 jona izao, ny fankalazana tamin’ny fomba ofisialy, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Tontolo iainana (JME). Nitarika ny fotoana ny mi­nisitry ny Tontolo iainana (Medd), Max Ando­ni­rina Fontaine, ny so­lombavamba­hoaka Imbiki Herilaza ary ny tomponandraikitra maro. Loha­hevitra ny hoe : « […]

VAOVAO TAMBATRA

Tsy mitsaha-mitotongana ny vola malagasy. Tafakatra hatrany amin’ny 5 170,68 Ar ny sandan’ny euro eo amin’ny tsena fifanakalozam-bola. Porofo izany fa tafalatsaka ambany ny toekarena sy ny famokarana eto amin’ny firenena. Midangana ny vidim-piainana, miaina anaty fahantrana ny ankamaroan’ny Malagasy, miankindoha betsaka amin’ny fanafaram-bokatra ihany koa isika. Diso fanantenana tamin’ny […]