Toe-karena

Fihariana : tanora 110 niofana fiompiana trondro

Tombony ho an’ny fampiroboroboana ny fihariana ny fahazoana fiofanana hanatsarana ny seha-pamokarana. Tanora sy mpiompy trondro 110 mianadahy nisitraka fiofanana tetsy Ampandrianomby, omaly. Niompana tanteraka tamin’ny fahalalana fototra mahakasika ny fiompiana trondro ny hetsika. Nampahafantarana an’ireo mpiofana tamin’izany ny karazana fiompiana trondro misy sy mety eto Madagasikara hatramin’ny fikarakarana rehetra […]

Fandorana vary tany Toamasina : « Tsy manaraka ny fepetra », hoy ny fampanoavana

Nisy vary lo hafa indray, 20 kitapo, tratra tany Mangarano Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nanaraka ny fepetra ny fandorana ireo vary ireo, raha ny fanazavan’ny tonian’ny fampanoavana. Nanamarina ny zandarimaria ao Toamasina, fa nisy vary simba sy lo, tratra tao amin’ny trano fitahirizana an’ny teratany indo-pakistaney eny Mangarano, […]

Fifanakalozam-bola : maherin’ny 6 000 ny Cash point an’ny MVola

Maro ny zava-bitan’ny orinasa MVola fa tsy vitsy koa ny ezaka hotohizana. Nilaza ny tale jeneraly (CEO), Louis Olivier Favot, fa anisan’ny voalohany nahazo ny satan’ny fifanakalozana ara-bola amin’ny maha banky, ny MVola tamin’ny taona 2023. Sangany amin’ny lafiny fifanakalozam-bola niomerika ity orinasa ity. Notsorin’ny mpitantana ny MVola, fa sangany […]

Madagasikara-Sina : hotohizana ny fiaraha-miasa

Nihaona teny Anosy, ny talata teo, ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratohiarijaona Rakotoarisolo Suzelin, sy ny mpiraki-draharaha eo anivon’ny masoivo­hon’ny repoblika Sina eto Madagasikara, Zhang Wei. Voaresaka nandritra izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena sinoa sy ny minisitera izay hifantoka ami­na teboka efatra. Hotohizana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa […]

Raharaha andramena: fanondranana antsokosoko tamin’ny taona 2014

Nambaran’ny tale jeneralin’ny fadin-tseranana (DGD), Lainkana Zafivanona, fa fanondranana antsokosoko tamin’ny taona 2014 ilay raharaha andramena tany Tanzania. Filoha miara-mitantana ny fifanarahana hanamorana ny fifanakalozana ara-barotra iraisam-pirenena ihany koa ny tenany. Nisy andramena avy aty Madagasikara tratra ta­ny amin’ny seranan-tsam­bon’i Mombassa (port d’éclatement) any Kenya, natao tanaty kaontenera miisa 34 […]