Nolotorana mari-boninahitra “grande Officier” ho fankasitrahana azy ny tale jeneralin’ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat), Avelin Christian Eddy, ny 16 mey lasa teo, tetsy amin’ny efitrano malalaky ny Pact “Port Academy Center Toamasina”. Tonga nanome voninahitra ny lanonam-panjakana ny minisitry ny Fitaterana sy famatarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, i Mangalaza Eugène Régis, […]
Toe-karena
Fizahantany: trano vaovao ho an’ny INTH
Napetraka omaly, ny vato fototra hanavaozana ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny fizahantany sy ny tranombahiny (INTH) etsy Ampefiloha. Mitentina 2 tapitrisa euros ny asa, tohanan’ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD). Maharitra 15 volana ny asa, izay hanovana ny toerana hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Ahitana rihana roa ny trano, efitra 14. […]
“Andron’ny seha-pamokarana”: tratra ny tanjona ho an’ny ANMCC
Fahombiazana. Maherin’ ny 20 000 ireo mpitsidika tonga teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina nandritra ny Andron’ny seha-pamokarana, ny faran’ny herinandro raha toa ka 6 000 ny vinavina. «Tratra ny tanjona, namaly ny antso avokoa ireo orinasa mpamokatra eto an-toerana miisa 12 nisitraka ny fepetra fiarovana», hoy ny tale jeneralin’ny Autorité […]
Tsena karbôna: havokavoky ny tontolo mananaina ny ala
Nanomboka fantatra ny atao hoe Tsena Karbôna tamin’ny taona 2008. Nisitraka azy voalohany i Madagasikara ny taona 2023, hitandroana ny atiala an-tanety. Maridrefy mifandray amin’ny fampihenana na fanafoanana ny fiparitahan’ny singa dioxyde de carbone (CO2) na ny singa mifanahantasahana aminy, Gaz à effet de serre (GES) milanja 1 taonina na […]
Fiainana andavanandro: mampiasa arina fandrehitra ny 90% ny Malagasy
Miankindoha amin’ny fampiasana hazo sy fitrandrahana mihoapampana ny tontolo iainana ny ankamaroan’ny tokantrano malagasy. Fototra ivelomany sy hanitarany ny seha-pihariany izany. Antony mahatonga ny rohivoary eto amintsika ho potika sy mampakatra hatrany amin’ny 30% ny taham-pahafatesana vokatry ny fahalotoan’ny rivotra izany. «Tokony handray an-tanana ny hoavy ny tsirairay. Miteraka asa […]




