Toe-karena

Toliara II : Nodiovina ny lakandrano manondraka 3 000 ha

Mitohy ny fanohanan’ny Base Toliara ny mponina amin’ny lafiny famokarana. Nodiovina ny lakandrano entina hanatsarana ny fambolena, tamin’ny alalan’ny Asa tanamaro. Nahatratra 2 700 ny olona nandray anjara tamin’ny fanadiovana sy fikojakojana ny lakandrano Andoharano Mamovoky, mampitohy ny kaominina Ankilimaliniky sy Tsianisiha, distrika Toliara II. Nanohana ny asa ny orinasa […]

Fampandrosoana eny ifotony: hanohy ny asa efa natombony any Antalaha ny JCA

Nambaran’ny filohan’ny “Jeunes cadres d’Antalaha – JCA”, Nerapide Jaonary, fa anisan’ny laharam-pahamehan’izy ireo ny fanajariana ny tanànan’Antalaha ary tafiditra ao anatin’ny tetikasan’izy ireo izany. «Tsy natao ho an’ny fitondram-panjakana foibe ihany ny fampandrosoana fa andraikitra ifampizaran’ny rehetra. Antony nahatonga anay nanatanteraka ireo asa teo aloha ary mbola manohy izany amin’izao […]

Madagascar Airlines: nivoaka ny daty fanonerana tapakila

Taorian’ny fangatahana nataon’ireo mpandeha voakasiky ny sidina nofoanana, nilaza ny Madagascar Airlines fa efa fa nivoaka ny tetiandro hanonerana ireo vidina takapika. Nampahafantatra ny kaompania fa manana ny mari-bola ahafahana mamerina ireo vidina tapakila izy ankehitriny. Misy, araka izany, ny fandaharam-potoana hiantohana ny fizotry ny fangatahana. Efa manomboka amin’izao ka […]

Andron’ny seha-pamokarana: manohana ny indostria sy ny vokatra eto an-toerana

Hanomboka ny zoma ka haharitra telo andro ny Andron’ny seha-pamokarana atao eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Fotoana hampahafantarana ny vokatry ny indostria malagasy. Ho hita eny a-toerana avokoa ireo orinasa 12 nisitraka ny fiarovana ara-barotra napetraky ny «Autorité nationale chargée des mesures correctives commerciales» (ANMCC). Tan­jona ny hanjifan’ny Malagasy ny […]

Tetikasa Sahofika: famokarana herinaratra lehibe indrindra eto Madagasikara

Goavana indrindra amin’ny famokarana herinaratra ny tetikasa Sahofika, hatrany amin’ny 200 MW. Manana petra-bola ao ny fanjakana malagasy iarahana amin’ny orinasa Neho. Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny vovonan’orinasa Neho (Nouvelle énergie hy­droélectrique de Onive) sy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), misolo tena ny fanjakana malagasy. Na­natrika […]