Toe-karena

Nosy Hara: nilanja 4 kilao ny horita iray

Nisokatra ny 12 mey teo ny taom-panjonoana horita any amin’ny Faritra arovana Nosy Hara, kaominina Andranovondronina, distrika Antsiranana II. Mitantana ity Faritra arovana ity ny Madagascar National Parks (MNP). Nitontaly 36,544 taonina ny vokatra azo tamin’io andro voalohany nisokafan’ny fanjonoana io. Fahombiazana lehibe ho an’ny mpanjono any an-toerana izany satria […]

Haban-tseranana: matotra ny fiaraha-miasa Chine-Madagasikara

Mibahan-toerana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fifampiraharahana amin’ny lafiny haban-tseranana. Mano­loana izany, nitsidika teto Madagasikara ny delegasiona sinoa, tarihin’ny minisitra lefitra miadidy ny Fitantanana foibe ny ladoany, Wang Lingjun, ny 14-16 mey teo. Manan-danja ity fitsidihana ity, nanamafisana ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Chine, tsy mitanila sady samy ahazoan’ny roa […]

Base Toliara: miditra amin’ny andiany faharoa ny fanofanana arakasa

Miditra amin’ny andiany faharoa amin’ny fanofanana ny mponina eny ifotony ny orinasa Base Toliara. Miompana amin’ny fanorenana sy rafitra biriky izany. Mitohy ny tohana ataon’ny tetikasa Base ny vondron’olona eny ifotony. Nomena fiofanana arakasa mahakasika ny fanorenana fotodrafitrasa na rafi-trano, ho an’ny fianakaviana tompona fasana any amin’ny fokontany Tsiafanoky sy […]

VAOVAO TAMBATRA

Mihamafy ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina. Mihatra indroa isan’andro izany, maharitra adiny iray fara-fahakeliny. Voalaza fa mihena ny haavon’ny rano mamatsy ny milina mamokatra herinaratra avy amin’ny tohodrano. Voafetra anefa ny solika ampiasaina manodina ireo milina manodina herinaratra, antony mahantonga ny fanapahana mihodina. Voakasik’izany koa anefa ny faritra […]

Famokarana : Mitombo ny vokatry ny orinasa malagasy

Miha mahazo vahana ny seha-pamokarana eto amintsika, hatramin’ny nametrahana ny fepetra fiarovana ny indostria. Manomboka mihena ny fanafaran’entana ataon’i Madagasikara, mitombo ihany koa ny tolotra omen’ireo orinasa malagasy ho an’ny mpanjifa. « Ny taona 2018, taona nametrahana ny fepetra fiarovana, manodidina ny 45 000 taonina ny paty nafarantsika ary 7 000t monja ny […]