Hanangana fotodrafitrasa maro toy ny trano fitehirizam-bokatra miisa efatra, fanamboaran-dalana any ambanivohitra mirefy 50km, fanarenana ny biraon’ny Fitantanam-paritry ny indostria ary fananganana tsena roa ho an’ny vokatry ny fiompiana PTASO. Ireo rehetra ireo no entina manatanteraka ny tetikasa fampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny fambolena any amin’ny faritra Atsimo […]
Toe-karena
Aretina mpahazo ny vary: miparitaka amina faritra dimy eto Madagasikara
Anisan’ny toerana ahitana ny BLB ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Menabe, Alaotra Mangoro. Misy ihany koa santionam-bokatra avy any amin’ny faritra Diana sy Anôsy voarain’ireo mpikaroka hotsirihina, hoy hatrany fanazavana. Notohizany fa mbola hisy ny fidinana ifotony atao any Marovoay hijerena ny voka-bary any an-toerana raha toa ka misy bakteria. Mamely […]
Jono: 600 tapitrisa isan-taona ny filàna zana-trondro
Mbola ambany ny tahan’ny famokarana zana-trondro eto amintsika raha oharina amin’ny filàn’ny firenena. Tafakatra hatrany amin’ny 600 tapitrisa isan-taona izany ho an’i Madagasikara raha toa ka manodidina ny 40 tapitrisa eo no vokarintsika amin’izao. Tonga tao Brickaville nijery ny ivontoerana famokarana zana-trondro (ecloserie) tilapia, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry […]
Bacterie BLB sy BLS: loza mitatao ho an’ny fambolem-bary
Mety hamotika ny 70%-n’ny famokaram-bary eto Madagasikara ilay aretina “Bacterial leaf blight” (BLB) izay ateraky ny Xanthomonas oryzae pv. oryzae (Xoo) sy ny tsipika amin’ny ravina na ny bacterial leaf streak (BLS). Loza mitatao ho an’ny fambolem-bary rehetra (anaty rano, sakamaina, an-tanety) ireo bakteria ireo. Miparitaka haingana sy miteraka fahaverezam-bokatra […]
cenam §èha: nihaona tamin’ny mpanao asa tanana ny minisitra
Nitsidika ireo mpivarotra taozavatra malagasy etsy amin’ny Cenam 67 ha ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriamandranto Joël, ny zoma 19 janoary teo. Nisy ny fifampidinihany sy fifanakalozan-kevitra namantarana ny olana fototra iainan’ny Malagasy mpanao asa tanana. Anisan’ny vahaolana noraisina ny hametrahana drafitra hifanakalozan-kevitra entina hifampitam-baovao sy hanomezan-danja […]