Toe-karena

Tohana amin’ny famokarana: hihatsara ny vokatra any Tsiroanomandidy

Anisan’ny misitraka ny fizarana kojakojam-pamokarana ao anatin’ny tetikasa « Purpa” ny faritra Bongolava. Azo antoka fa hihatsara ny vokatra any an-toerana amin’ity taom-pambolena 2024 ity, toy ny vary an-drano, ny voanjo ary ny soja. Natao ny 15 hatramin’ny 18 janoary teo ny fizarana kojakojam-pamokarana avy amin’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana […]

Vary simba : naato ny fanenjehana ireo mpandraharaha

Nisy fivoriana nataon’ny fiombonan’ny mpitandro filaminana sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ao Toama­sina, notarihin’ny prefet, ny 15 janoary, mahakasika ilay ra­haraha vary simba. Nanatrika tao koa ireo teratany vahiny, mpanafatra entana ilaina andavanandro (PPN) avy any ivelany, izay saika izy ireo no tena maro, 90%, miampy Malagasy mpandraharaha. Nampahatsiahivin’ny tonian’ny fampanoavana […]

RN1-Antanetimboahangy: miverina ny fifamoivoizana

Nihotsaka vokatry ny orambe ny tany nitaty ilay tetezana vonjimaika (pont modulaire), eo amin’ny PK 104+800 any amin’ny lalam-pirenena RN1, napetraka tany Antane­timboahangy Analavory, ny herinandro lasa teo. Tsy niandry ela, nidina tany an-toerana avy hatrany ny ekipan’ny Vonjitaitra (DAU) ao minisiteran’ny Asa vaventy, ny sabotsy 20 janoary teo. Nohamafisina […]

Tetikasa « Ankohonana miarina »: natomboka any Itasy ny fizarana tany hamokarana

Nitondra vahaolana, hamahana mivantana ny fahantrana eny ifotony ny filoha Rajoelina. Napetraka ny tetikasa “Ankohonana miarina” hananganana tanàna vaovao, hanomezana tany sy trano, kojakojam-pambolena, biby fiompy. Nosantarin’ny filoha Ra­joelina tany amin’ny faritra Itasy ny tetikasa «Ankohonana miarina». Nam­barany fa «mahantra ny Ma­lagasy kanefa hitako mavitrika, ka mendrika tohanana». Mirefy 53 […]

Fandraharahana: hanampy ny kaoperativa ny governemanta amerikana

Hiompana amin’ny fana­tsarana ny fandaharanasam-pampandrosoana ny kaoperativa, amin’ny alalan’ny fametrahana fepetra mampiroborobo ny kaoperativa (CDP/ CECE), ny tetikasa Coope­rative Eco­system And Social Inclusion (CESI). Haharitra efa-taona ny tetikasa. Hana­tanteraka izany ny fikambanana iraisam-pirenen’ny kaoperativa NCBA CLUSA izay vatsian’ny governemanta amerikana vola amin’ny alalan’ny USAID. Kendrena ny hanohanana sy hanatsarana ny […]