Toe-karena

Vary simba : naato ny fanenjehana ireo mpandraharaha

Nisy fivoriana nataon’ny fiombonan’ny mpitandro filaminana sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ao Toama­sina, notarihin’ny prefet, ny 15 janoary, mahakasika ilay ra­haraha vary simba. Nanatrika tao koa ireo teratany vahiny, mpanafatra entana ilaina andavanandro (PPN) avy any ivelany, izay saika izy ireo no tena maro, 90%, miampy Malagasy mpandraharaha. Nampahatsiahivin’ny tonian’ny fampanoavana […]

RN1-Antanetimboahangy: miverina ny fifamoivoizana

Nihotsaka vokatry ny orambe ny tany nitaty ilay tetezana vonjimaika (pont modulaire), eo amin’ny PK 104+800 any amin’ny lalam-pirenena RN1, napetraka tany Antane­timboahangy Analavory, ny herinandro lasa teo. Tsy niandry ela, nidina tany an-toerana avy hatrany ny ekipan’ny Vonjitaitra (DAU) ao minisiteran’ny Asa vaventy, ny sabotsy 20 janoary teo. Nohamafisina […]

Tetikasa « Ankohonana miarina »: natomboka any Itasy ny fizarana tany hamokarana

Nitondra vahaolana, hamahana mivantana ny fahantrana eny ifotony ny filoha Rajoelina. Napetraka ny tetikasa “Ankohonana miarina” hananganana tanàna vaovao, hanomezana tany sy trano, kojakojam-pambolena, biby fiompy. Nosantarin’ny filoha Ra­joelina tany amin’ny faritra Itasy ny tetikasa «Ankohonana miarina». Nam­barany fa «mahantra ny Ma­lagasy kanefa hitako mavitrika, ka mendrika tohanana». Mirefy 53 […]

Fandraharahana: hanampy ny kaoperativa ny governemanta amerikana

Hiompana amin’ny fana­tsarana ny fandaharanasam-pampandrosoana ny kaoperativa, amin’ny alalan’ny fametrahana fepetra mampiroborobo ny kaoperativa (CDP/ CECE), ny tetikasa Coope­rative Eco­system And Social Inclusion (CESI). Haharitra efa-taona ny tetikasa. Hana­tanteraka izany ny fikambanana iraisam-pirenen’ny kaoperativa NCBA CLUSA izay vatsian’ny governemanta amerikana vola amin’ny alalan’ny USAID. Kendrena ny hanohanana sy hanatsarana ny […]

Fitantanana fako : harenina ny fivezivezena

Nidina ifotony teny amin’ny toby Andralanitra ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, omaly. Nanotrona azy ny tale jeneralin’ny SMA , ny kolonely Razafimanahaka Tiana sy ny solontenan’ny Jica, mpiara-miombon’antoka amin’ny fitantanana ny fako eto Antananarivo (GESDA). Nilaza ny minisitra fa antony roa no mahatonga ny fivangongoan’ny […]