Toe-karena

Fampiroboroboana ny fizahantany: miara-miasa ny Paositra malagasy sy ny Vanilla Pay international

Tsy afa-misaraka ny sehatry ny fizahantany sy ny tontolon’ny haitao ara-kajy mirindra. Manana tombony betsaka ireo mpandraharaha mampiasa ny niomerika, hamaliana ny filàn’ny mpanjifa ka afaka mifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Hanamo­rana ny fandoavam-bolan’ireo mpiantsehatra eo amin’ny sehatry ny fizahantany no nahatonga ny Paositra ma­lagasy, amin’ny alalan’ny Paositra Money sy ny Vanilla Pay international (VPI) hiara-hiasa. Vita sonia omaly, tetsy Ambohidahy, […]

Taninketsa indostrialy- Ambatondrazaka: mamokatra ketchup 3 000 tavoahangy isan’andro

Manodina voatabia 1 500 kg ny milina ao Ambalabako Ambatondrazaka, izany hoe, mamokatra ketchup 3 000 tavoahangy isan’andro. N­a­moaka ny vokatra voalohany tamin’ny 15 okotobra lasa teo ny orinasa. Nanaovana fitiliana izany ary voamarina fa manaraka ny fenitra ara-pahasalamana ny vokatra ka azo ohanina tsara ny Kechup Lycoper. “Manana ambim-bava amin’ireo vokatra voaodina […]

Ho tsara ny vokatry ny fizahantany

Taona nitarafana ny fampiroboroboana ny fizahantany teto Madagasikara, ny taona 2019. Ankehitriny, “azo lazaina ho tratra ny tanjona. Tsy mifanalavitra ny tamin’ny taona 2019 isika izao”, hoy ny minisitry ny Fizahantany, Randrimandranto Joel. Ho tsara lavitra ny vokatra andrasana amin’ny taona ho avy ary hihoatra ny tamin’ny taona 2019 izany, […]

Vanim-potoanan’ny fety: tafakatra 20 000ar ny kilaon’ny hena

Vanim-potoana anisan’ny mampiakatra ny vidin’entana isan-karazany ny vaninandro fety. Ankehitriny, mahatratra hatrany amin’ny 20 000Ar ny kilaon’ny henan’omby. Andro vitsy mialoha ny fetin’ny Krismasy isika izao, miakatra avokoa ny vidin-tsakafo andavanandro. Ankehi­triny tafakatra hatrany amin’ny 20 000Ar ny kilaon’ny henan’omby, 19 000Ar kosa ny henan’ondry eny an-tsena, raha toa ka manodidina ny 18 […]