Manambara ny Banky iraisam-pirenena fa tafakatra ambony be ny tahan’ny zanabola tato anatin’ny 40 taona farany. Nahatratra 443,5 miliara dolara ny vola navoakan’ny firenena andalam-pandrosoana nandoavany ny trosany tamin’ny taona 2022. Nitombo 5% miohatra ny tamin’ny taona 2021 ny trosa naloan’ny firenena mahantra, ny taona 2022. Mitotaly 88,9 miliara dolara […]
Toe-karena
Tohodranon’i Beboka : hamokatra vary fanampiny 6 300 taonina
Hiverina hamokatra ny tantsaha ao amin’ny distrika Antsalova, faritra Melaky, noho ny fahavitan’ny tohodranon’i Beboka. Hamokatra vary fanampiny hatrany amin’ny 6 300t isan-taona ny fotodrafitrasa, entina hampiroboroboana ny famokarana sy hanampiana ny tantsaha ka hanatrarana ny fanamby amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Hanondraka velaran-tany 1 600ha mandritra ny fotoam-pambolena ny lakandrano ary 500ha […]
Madagasikara : lohalaharana amin’ny fanondranana vokatra bio
Tafakatra hatrany amin’ny 5 800t ny vokatra bio naondran’i Madagasikara ny taona 2020, raha toa ka 800t monja izany ny taona 2009. Anisan’ireo firenena mpanondrana vokatra bio betsaka indrindra maneran-tany ny firenena malagasy. Manodidina ny 35% amin’ireo vokatra naondrana ny kakao, legioma 20%, voankazo ny 12%, hanitra fanao amin’ny sakafo […]
Tahirimbolam-panjakana : tafapetraka ny tondrozotra « Schéma directeur des réformes »
Natolotra teo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny tondrozotra « Schéma directeur des reformes », hitantanana ny tahirimbolam-panjakana mandritra ny dimy taona. Narafitra ao anatin’ny « Schéma directeur des réformes » (SDR) ireo paikady sy fanavaozana rehetra hampandrosoana ny tahirimbolam-panjakana mahomby ka handraisana anjara feno amin’ny fitomboan’ny fiharian-karena. Entina hitantanana ny tahirimbolam-panjakana ao […]
Tetikasa AD2M Melaky: hanondraka velaran-tany 1.600
Notanterahin’ny tetikasa AD2M sy ny fitantanam-paritry ny Fambolena sy fiompiana (DRAE) Melaky, ny 12 desambra teo, tany amin’ny Antsalova, ny fandraisana vonjimaika ny fahavitan’ny asa fanajariana ny lemak’i Beboka. 30 taona lasa izay, afaka namboly vary tamin’ny andaniny roa amin’ny reniranon’i Beboka ny mponina any amin’ ny kaominina Ampamoty, Saririaka, […]