Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 35 ny jiro Cobra azon’ny tampon-tananàn’i Sambava, ary 10 ho an’ny kaominina Ampa­nefena. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Hazavana ho an’ny daholobe ity hetsika ity, hampitomboina avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Mada­gasikara amin’ny taona 2030. Miahy azy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo. Mahatratra 20 ha ny […]

Toliara: « Fampandrosoana no ilaina », hoy ireo Olobe

Naneho hevitra ihany koa ireo Olobe sy ny Hazomanga any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, taorian’ilay fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana, ny alahady teo, tany Andaboy Toliara. Raisin’izy ireo ho fanakorontanana ny fitondrana no nataon’ny mpitarika ny hetsika, fa mody sa­rontsaronana sy miafina ao ambadiky ny fanoherana ny tetikasa Base Toliara. Nohi­tsian’i […]

Famatsiam-bola: Andrasana ny fankatoavan’ny FMI

Handalo fankatoavan’ny filankevi-pitantanan’ny Banky iraisam-pirenena ny volana mey, aorian’ny tombana atao ny volana avrily izao, ny fahazoan’i Madagasikara ny famatsiam-bola mitentina 100 tapitrisa dolara, andiany faharoa. Marihina fa efa nivoaka ny volana jona 2023 ny famatsiam-bola 100 tapitrisa dolara andiany voalohany azontsika. Hetsika natao hanohanana ny fanavaozana sy ny fanarenana […]

Tolotra “Ampio-S”: Vahaolana amin’ny tsy fahampiam-bola

Hanampy ny mpanjifa amin’ny fandoavam-bola samihafa ataony ny tolotra vaovao “Ampio-S” ataon’ny Orange Money Madagascar sy ny Sipem Banque. Namoaka tolotra vaovao « Ampio S » ny Orange Money Madagascar sy ny Sipem Banque. Vahaolona ahafahan’ireo mpanjifa ma­meno ny vola ao anatin’ny kaontiny sy hividianany tolotra na koa hanaovana fandoavam-bola samihafa raha […]

« N4G Paris 2025 »: Nohamafisina ny tanjona fahavitantena ara-tsakafo

Atao any Paris ny fivoriambe iraisam-pirenena ma­hakasika ny fahavitantena ara-tsakafo. Lohahe­vitra noraisina ny hoe « Tran­dra­hina ny paikady mahomby hanatsarana ny sakafo: mandray anjara daholo ny mpisehatra voakasika rehetra, amin’ ny alalan’ny traikefa samihafa ananan’ny firenena tsirairay ». Nohaza­vain’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Faha­vintantena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’ny Avo, fa laharam-pahamehan’i Mada­gasikara ny […]