Nifarana, omaly, ny hetsika “Anjara hetrako”, nokarakarain’ny foiben’ny fitantanan-ketra (Direction générale des impôts) tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina nandritra ny Tsenaben’ny mpandraharaha. “Natao hanamorana ny fampidirana an’ireo mpandraharaha madinika sy tena madinika eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna ny hetsika”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny sampandraharaha ny fampiroboroboana ny olom-pirenena ara-ketra, Randrianomanana Imiangaly. Tao […]
Toe-karena
Kitapom-bolam-panjakana : mampiditra 3.5 miliara Ar mahery isan-taona ny lamatra
Kitro ifaharan’ny toekarena ny jono sady miantoka hatrany amin’ny 25% ny harinkaren’i Madagasikara. Ankehitriny, maherin’ny 3.5 miliara Ar ny vola nampidirin’ny lamatra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny toekarena ny jono lamatra. Isan-taona, maherin’ny 3.5 miliara Ar ny vola ampidiriny ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana taorian’ny fanatsarana ny sehatra […]
Tetikasa Produir : miisa 203 ny fotodrafitrasa hatsangana
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly 15 desambra, ny andiany faharoa amin’ny asa ao anatin’ny tetikasa fampiroboroboana ny tanàn-dehibe (Produir), tohanan’ny Banky iraisam-pirenena, tanterahin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany (MATSF). Nanombohana azy teny amin’ny kaominina Andranonahoatra, Anosizato Andrefana ary Bemasoandro Itaosy. Tafiditra ao anatin’ny singa ho tanterahin’ny Produir ny […]
Madagasikara : manana paikady hampiroboroboana ny indostria
Miendrika roa lehibe ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. Paikady voalohany ny fampirisihana ireo mpampiasa vola sy ireo mpamatsy vola hanampy eo amin’ireo orinasa sy indostria goavana eto Madagasikara (fomba fijery lavitra ezaka). Fanohanana ny indostria miainga eny ifotony sy manakaiky vahoaka, amin’ny alalan’ny tetikasa taninketsa indostrialy (fomba fijery fohy […]
Startimes-Banky SGM: Kojakoja mandeha amin’ ny herin’ny masoandro
Natao sonia omaly, ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ ny orinasa Startimes sy ny banky Société générale Madagasikara (SGM). Misy ny tolotra avy amin’ny Startimes, manamora ny ahazoan’ny mpanjifa fitambarana kojakoja samihafa (kits solaires Startimes), mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Antony, vahaolana aroso ho an’ny mpanjifa manoloana ny delestazy sy ireo monina any […]