Toe-karena

Fitaterana an-dalamby : hiverina ny zotra Antananarivo-Antsirabe

Hampivoatra sy hampiroborobo ny toekarena ny fiverenan’ny zotra an-dalamby ma­m­pifandray an’Antanana­rivo sy Antsirabe rehefa niato nandritra ny efa-taona. Hiverina amin’ny laoniny indray ny zotra an-dalamby mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe (TA) rehefa niato nandritra ny efa-taona. Na­namafy ny Madarail fa niverina nanomboka ny sabotsy teo ny fivezivezen’ny lamasina amin’ ireo toerana […]

Antontam-baovao niomerika : nitsangana ny orinasa Nxtra Africa

Nampahafantarin’ny Airtel Africa, ny 5 desambra teo, ny « Nxtra by Airtel ». Sampan’orinasa ao aminy, misahana ny fanangonana antontam-baovao niomerika sy informatika amin’ny fifandraisan-davitra. Mamaly ny filàn’ny mpanjifa ny fitsanganan’ny Nxtra Africa, izay tsy mitsaha-mitombo, an­ke­hi­triny. Tanjon’ny Nxtra Airtel ny hanangana tambajotram-pifandraisan-davitra lehibe indrindra aty Afrika. Ha­nan­ganana azy ny tanàn-dehibe rehetra ahitana ny […]

fanenana ny entona karbona : nahazo 8,8 tapitrisa dolara i Madagasikara

Mitentina 8,8 tapitrisa dolara ny vola azon’i Mada­gasikara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena entina hanenana ny entona karibona. 1,76 tapitrisa taonina ny entona ratsy, nandritra ny taona 2020. Firenena fahatelo aty Afrika nandoavan’ny Banky iraisam-pirenena vola ho fampihenana ny entona vokatry ny fahasimban’ny ala ny firenena malagasy, ilay antsoina hoe REDD+. […]

“Cop 28”- Dubaï : Andro manokana ho an’i Madagasikara

Natokana ho andron’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana, na “Wash Day”, omaly 5 desambra, tany Dubaï tao amin’ny tranoheva manokana, Pavillon Madagasikara. Mandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny fiovan’ny toetr’andro sy ny tontolo iainana, “Cop 28” no nanaovana izany, teo ambany fiahian’ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo. […]

Fasankarana-Anosizato: hamboarina ny lalana mirefy 3,2 km

Anisan’ny mampitaraina ny mpampiasa lalana ny eny amin’ny Fasankarana, mivoaka any Anosizato. Hamaha ny fitohanan’ny fifamoivoizana ny fanarenana azy tanteraka. Nanomboka omaly, ny fanarenana ny lalana eny Ankadimbahoaka, Fasankarana, Anosizato. Haharitra enina herinandro ny asa, ka hifarana amin’ny 19 desambra ny dingana voalohany, fa hiverina hitohy indray manomboka ny 5 […]