Tafakatra hatrany amin’ny 15 miliara Ar ny vola niditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana tamin’ny alalan’ny jono makamba nandritra ny taona 2023 raha manodidina ny 2,9 lavitrisa Ar izany tamin’ny taon-dasa sy talohan’izay. “Manampy betsaka tamin’ny fahazoana izao vokatra izao ny fanavaozana natao nanomboka tamin’ny taona 2021 izay nifantoka tamin’ny fanaraha-maso ny isan’ireo […]
Toe-karena
Pam sy Minae : ankizy 240 000 hisakafo any an-tsekoly
Manohana ny famokarana ambanivohitra ny Banky iraisam-pirenena. Mampitombo ny fahavitrihan’ny mpamokatra ny fahitana lalam-barotra. Anisan’izany ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Pam. Natao sonia omaly, ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny Fandaharanasa iraisam-pirenena mikasika ny sakafo (Pam). Tafiditra ao anatin’ny Tetikasa hiatrehana ny lafiny […]
Hopitalibe Toamasina : Roa miliara Ar hanamboarana lalana
Nampikaikaika ny maro ny haratsian’ny lalana mirefy 200 metatra, eo anelanelan’ny tobin’ny zandary sy ny hopitalibe Toamasina. Manoloana izany, nandray fepetra ny governoran’Atsinanana, tarihin-dRafidison Richard Théodore, handray an-tanana ny fanarenana ity lalana ity, amin’ny alalan’ny anjara volany, mitentina 2 miliara Ar avy amin’ny fanjakana. Nidina ifotony nijery ny fizotry ny […]
Nosy Be : fiaraha-miasan’ny ORTNB sy ny Telma
Natao sonia omaly, tany Nosy Be, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Telma sy ny Ofisim-paritry ny fizahantany Nosy Be (ORTNB). Tafapetraka any Nosy Be ny tambajotra internety matanjaka Telma. Miara-miasa amin’ny (ORTNB) ny Telma amin’izany entina hampiroboroboana ity sehatra ity, ka mila tambajotram-pifandraisan-davitra manana kalitao ambony any amin’ireo toerana be […]
Antenimierampirenena : lany tsy nisy nitsipaka ny lalàna mifehy ny tetibola (LFI) 2024
Nolanian’ny solombavambahoaka tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana teny amin’ny Antenimierampirenena ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2024. Lany tsy nasiam-panovana, tsy nasiam-panitsiana ary tsy nisy nitsipaka teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena, omaly, ny volavolan-dalàna laharana faha.023/2023 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana, ho an’ny taona 2024 (LFI). Lany tsy […]