Toe-karena

« Zotra charter » : mpizahatany bolgariana miisa 175 tonga any Nosy Be

Nigadona voalohany any Nosy Be, ny sabotsy 25 no­vam­bra 2023 teo, ny fiaramanidina mitondra mpizahatany « charter », mivantana avy any Bol­garia. Nitsena izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Fizahantany, Joel Randria­man­dranto, sy ny manam-pahefana any an-toerana. Niantoka ity zotra mivantana ity ny kaompania Flight Bulgaria, nitondra mpizahatany miisa 175. Miisa […]

Fanarahana ny vaninandro: ampiasaina amin’ny fitantanambolam-panjakana ny niomerika

Natao omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny atrikasa mahakasika ny fitantanambolam-panjakana. Tanjona ny hampifandrindra ny asa sy ny tetikasa rehetra, ka ampia­sana ny teknolojia niomerika. Maro ny sehatra sy ny asa ampiasana ny volam-panja­kana. Misy ny rafitra mifehy sy mitantana azy ireo, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny […]

Ambohidratrimo : manampy ny mponina ny fikambanana Zam

Mitohy ny fitsinjovan’ny fikambanana Zanak’Ambohi­dratrimo Marovatana (Zam) ny mponina. Nanolotra fampitaovana ny fianakaviana sahirana izy ireo, notarihin’ny filohany, Rabary Hery, ny faran’ny he­rinandro teo, teny amin’ny fokontany Atsimomparihy. Anisan’ny nisitraka izany Rtoa Rasoa, mpanasa lamba, izay nitsotra fa ahafahany mampitombo ny fidiram-bolany, ny fanampiana toy izao. Taorian’ izany, nanao fanadiovana […]