Tsy tratra hatramin’izao ny tanjona hanondrana letisia 18 000 taonina. Ny varotra anatiny no hivarotana ny ambiny. Hiainga eto Toamasina rahampitso talata 28 novambra 2023 ny sambo Crown Saphire ho any Rosia sy Azia, hitondra letisia milanja 2 000 taonina. Sambo fahatelo izy ity, raha efa nandeha, anio 27 novambra […]
Toe-karena
Tahan’ny harinkarena faobe : vinavinaina hiakatra 4,5% amin’ny taona 2024
Andrasana hiakatra 4,5% ny tahan’ny harinkarena faobe amin’ny taona ho avy izao, araka ny voalaza ao amin’ny volavolan-dalàna laharana faha-023/2023, momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna ho amin’ny taona 2024. Voatonona ao anatin’izany ny fitomboan’ny ny harinkarena faobe ho an’ ireo sokajy seha-pihariana rehetra. Andrasana hiakatra 4,4% ny sokajy voalohany, […]
Jono : mikatona ny fanjonoana makamba
Hikatona manomboka ny 1 desambra misasakalina hatramin’ny 29 febroary 2024, misasakalina manerana ny fari-dranomasin’i Madagasikara, ny fanjonoana makamba. Mila manao fanambarana ananany ny datin’ny 30 novambra izao, farafahatarany ny 8 desambra eny amin’ny talem-paritry ny Jono sy ny toekarena manga akaiky azy indrindra ireo orinasa mpanjono, ny mpanangom-bokatra, ny toeram-pivarotana […]
«Hazavao ny elakelatrano»: fametrahana jiro manazava manerana ny distrika 119
Tsy mitsaha-miitatra ny tanàn-dehibe eto Madagasikara. Mila manaraka an’izay fironana izay koa ny fotodrafitrasa, ka anisan’izany ny jiro manazava ny arabe sy ny elakelatrano. Anisan’ny ataon’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) sy ny Jirama laharam-pahamehana ny fametrahana jiro manazava ny arabe sy ny elakelatrano. Hanatanterahina izany ny tetikasa «Hazavao […]
Ankadikely Ilafy : tantsaha 52 hanatsara ny fambolem-bary
Nisitraka zezika manaraka ny fenitra hanatsarana ny fambolena amin’ny ankapobeny ny mpamboly 52 avy ao amin’ny fokontany enina, anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, omaly. “Efa nisitraka fampiofanana manokana ireo tantsaha ary nisy ny sivana nahafahan’izy ireo nisitrika izao tosika hanatsarana ny fambolena izao”, hoy ny fanazavan’ny ben’ny Tanàn’Ankadikely Ilafy, Rija Rajaonah. […]