Manasa ny Malagasy mpandraharaha liana handray anjara amin’ny hetsika « Forum économique du secteur privé » atao any Genève-Suisse ny Federasion’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM). Hiitatra hatramin’y 21 marsa ny fisoratana anarana mba hahafahan’ireo mpandraharaha mikarakara ireo antontan-taratasy samihafa mahakasika izany. Marihina fa hetsika goavana iraisam-pirenena ny « Forum […]
Toe-karena
Vidin-tsolika : Intelo nihena ny lasantsy tato anatin’ny roa volana
Mizatra tsikelikely ny fiovaovan’ny vidin-tsolika ny mpanjifa. Indroa nihena ny vidin’ny lasantsy tao anatin’ny fiovana intelo, raha indroa nisondrotra ny gazoala sy ny solitany fandrehitra. Mizatra tsikelikely! Niova fanintelony ny vidin-tsolika ho an’ny mpanjifa, nanomboka ny janoary 2025. Omaly 5 marsa, nidina ho 5 320 Ar/l ny vidin’ny lasantsy raha 5 500 […]
VAOVAO TAMBATRA
Tanterahina mandritra ny telo andro, ao Berlin, ny « grand salon international du tourisme ITB 2025 ». Handray anjara amin’izany ny delegasionina malagasy, amin’ny alalan’ny Ofisim-pirenena momba ny fizahantany sy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana. Hetsika entina hampahafantarana ny Nosy malagasy sy ny hakantony izany. Mitotaly 213 752 ireo nitsidika ny faritra […]
Paositra Finances- Label Ampela Paré : Hanohana ny fandraharahan’ny vehivavy
Hanome tolotra manokana ho an’ny vehivavy ny Paositra Finances mandritra ny volana marsa amin’ny alalan’ny label Ampela Paré. Maimaimpoana ny saram-pikarakarana ny antontan-taratasy manerana ny masoivohon’ny Paositra Finances ho an’ireo maniry hindram-bola. Tanjona ny hanohana ny fidiram-bolan’ny vehivavy mba hanatsarana hatrany ny seha-pihariany sy hampivelatra ny asa sahaniny. « Vehivavy avokoa […]
Ambohitrimanjaka – Ivato : Ho vita mialoha ny avrily ny arabe « voie rapide »
Mihazakazaka ny asa fanamboarana ny arabe « voie rapide », mampitohy an’Ambohitrimanjaka sy Ivato. Mirefy 18 km, miainga eny amin’ny vahilava Ambohitrimanjaka, mivoaka eo amin’ny fihodinana Andranotapahina ary mivoaka any Ivato. Arabe azo andehanan’ny fiara efatra, roa isanisany, mandroso sy miverina. Manao ny asa ny orinasa China Road and Bridge Corporation (CRBC). […]




