Toy ny tamin’ny taon-dasa, nanodidina ny 18 000t ny vokatra letisia naondran’i Madagasikara tany ivelany. Hanomboka ny talata izao ny taom-piotazana. Tapaka taorian’ny fivorian’ ireo mpisehatra samihafa eo amin’ny letisia fa manodidina ny 17 500-18 000t ny vokatra letisia aondrantsika any ivelany amin’ity taona ity. “Quota” mitovy tamin’ny taon-dasa. “Handray […]
Toe-karena
Tetikasa Purpa : mahatratra 4,15 t/ha ny voka-bary
Nivory ny 15 novambra teo ny mpikambana ao anatin’ny Filankevitra mpandrindra ny paikady ho an’ny Tetikasa maika, hanamafisana ny vokatra ara-tsakafo (Purpa). Nankatoavina ny Drafitry ny tetibola hoenti-miasa (PTBA) ho an’ny taona 2024. Tanjon’ny tetikasa ny hampiakarana ny vokatra sy ny famokarana, mamaly ny filan’ireo orinasa famokaran’ny fianakaviana tantsaha (EAF), […]
Fizahantany 2024 : firenena tsara tsidihina i Madagasikara
Tafiditra anatin’ireo toerana tsara tsidihina mandritra ny taona 2024 i Madagasikara, araka ny tatitra navoakan’ny gazety boky Condé Nast Traveler. Toerana azo hijanonan’ireo sambo vaventy toa an’i Silversea, Lindblad, Swan Hellenic ary Seabourne ny firenena malagasy. Nanomana toerana vaovao azo tsidihina ihany koa ny Masoala forest Lodge sy Madagascar classic […]
FNE- 2023: hifampizara traikefa ny mpandraharaha
Fifanakalozana eo amin’ny mpandraharaha ahafahana miatrika ny fidangan’ny vidim-piainana ny fikaonandoha nasionaly ho an’ny mpandraharaha. Ao anatin’izay ny fampiroboroboana an’ireo orinasa madinika sy salantsalany. Mifototra amin’ny fifampizarana traikefa ataon’ireo orinasa lehibe ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany ny fikaonandoha nasionaly ho an’ny mpandraharaha (forum national des entrepreneurs na FNE), andiany […]
Fandraharahana : fototra mampihodina orinasa ny angovo
Miantraika mivantana eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny olan’ny angovo. Misedra fahasahiranana amin’ izany ireo orinasa madinika sy salantsalany tsy manana fahefa-mividy groupe éléctrogène hanodinany ny orinasany. “Tokony hapetrka ny tontolo ahafahan’ny rehetra miasa am-pilaminana sy ampahatoniana. Andraikitry ny fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama) ny fampakarana ny harikarena faobe sy ny fampandrosoana […]