Miisa 84 ny tokantrano hafindra monina maimaimpoana ao amin’ireo toeram-ponenana vaovao natsangana eny Andavamamba. Hisitraka trano biriky izy ireo, ahitana jiro avy amin’ny herin’ny masoandro raha trano hazo no nipetrahany hatramin’izay. Hisy ny fotodrafitrasa hafa haorina, toy ny lalana, paompin-drano sy toeram-pidiovana, tsena, sns. Miisa 2 000 ny zana-kazo nambolen’ny ONTM […]
Toe-karena
Fahavitan-tena ara-tsakafo: Manohana ny fambolena ny orinasa Sinomach
Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny vondrona orinasa sinoa, Sinomach, sy ny governemanta malagasy, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (Sesa) ary ny Raharaham-bahiny (MAE). Votoatin’ ny fiaraha-miasa ny fambolena amin’ny veleran-tany midadasika, ny fananganana fotodrafitrasam-pamokarana sy ozinina fanodinana ary […]
Famatsiam-bola Fec/FRD: Nahomby ny fandaharanasa
Nahafa-po ny zava-bitan’i Madagasikara ao anatin’ny fandaharanasa Findramam-bola nohamoraina (Fec) sy ny Famatsiam-bola nohamoraina hiatrehina maharitra ny fiovaovan’ny toetr’andro (FRD), antony nahatonga ny fankatovana ny famatsiam-bola mitentina 103 tapitrisa dolara (77,4 tapitrisa DTS) avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Nitarika izany ny fanitsiana ny vidin-tsolika, nanomboka ny volana janoary 2025. Nahena […]
Tetikasa Mitao Forecast Africa : Mampihena 98% ny fahafatesan’ny mpanjono
Hipaka mivantana eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny hampihena ny taham-pahafatesan’ny mpanjono eny ifotony ny tetikasa Mitao Forecast Africa. Fantatra efatra andro mialoha ny toetry ny andro amin’ny alalan’ny fampiasana ny Mitao Forecast Africa. Misy ny fampahafantarana amin’ny alalan’ny takelaka miloko ny toetry ny andro (tableau agro-méteorologique) ho an’ireo […]
EPM : Hamaritra ny politikam-pampandrosoana
Manan-danja eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny fampandrosoana ny vokatra andrasana amin’ny fanadihadiana maharitra eny anivon’ny tokantrano (EPM) hatao. Ahafahana mamaritra ireo politikam-panjakana sy ireo fotodrafitrasa hatsangana enti-mamaly ny filan’ny mponina ireo antotanisa hangonina. Niainga tamina kajy statistika ny nahazoana ireo tokantrano 17 000 manerana ny Nosy hanaovana ny fanadihadiana. […]




