Nihaona tamin’ireo mpandraharaha ara-toekarena tany Toamasina ny tomponandraikitry ny Airtel, tamin’ity herinandro ity. Nampahafantarina ny tetikasa hampiasana ny teknolojia niomerika eo amin’ny sehatry ny fambolena, iarahan’ny Airtel sy ny vovonana Avaya miombon’antoka. Natao sonia tany Toamasina ny fifanarahan’ izy ireo sy ny ONG Adid. Nilaza ny tale jeneraly mpisolo toerana […]
Toe-karena
Taom-piotazana letisia : hisokatra ny 21 novambra izao
Hanomboka amin’ny herinandro 21 novambra amin’ny telo ora tolakandro ny taom-piotazana letisia, ao amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Fanapahan-kevitra noraisina taorian’ny fivoriana faharoa nataon’ireo mpandraharaha letisia (GEL) sy ny solontenam-panjakana ary ireo tomponandraikitra samihafa voakasika rehetra, omaly, tao Toamasina, araka ny fanazavan’ny governoran’ny faritra Atsinanana. Hisokatra ny zoma izao kosa ny “guichet unique” […]
Ambatoboeny : ho vita tsy ho ela ny baka
Vita ny faran’ny herinandro teo, ny ampahany voalohany amin’ny asa fanarenana sady fanamboarana ny baka, ao amin’ ny «radier» Ambatoboeny. Eo amin’ny halavirana PK 20 amin’ny lalam-pirenena RN33B no misy azy. Manatanteraka ny asa ny Fitantanana tohana amin’ny asa vonjy taitra (DAU) ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy. Asa natao ny […]
Itremo Ambatofinandrahana : voahaja ny fitaovana ampiasain’ ny mpitrandraka madinika
Paikady napetraky ny fanjakana ny hidiran’ny mpitrandraka madinika amin’ny ara-dalàna. Napetraka ny fari-pitrandrahana manokana hanatanterahana izany. Manome tantsoroka ny mpitrandraka madinika ny harena an- kibon’ny tany ny fanjakana. Nidina ifotony tany amin’ny kariera any Itremo, distrika Ambatofinandrahana ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy Olivier, ny 13 novambra teo. Nojerena ny fitaovana ampiasain’ny mpitrandraka […]
Hiadiana amin’ny jono tsy ara-dalàna : nahazo sambo avy amin’ny Japone ny faritra Anosy
Ho fampihenana ny loza an-dranomasina sy hiadina amin’ny jono tsy ara-dalàna, nahazo sambo haingam-pandeha avy amin’ny governemanta japone ny faritra Anosy. Tonga nanolotra izany tany Taolagnaro ny masoivohon’i Japon, Abe Koji, ny zoma lasa teo. Nanotrona ny lanonana ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, notronin’ny governoran’ny […]