Vonona hamatsy vola hanohanana ireo orinasa tena madinika, madinika sy salantsalany (TPME) ary ireo vehivavy mpandraharaha ny BNI Madagascar sy ny Société financière internationale (IFC). Mitentina hatrany amin’ny 30 tapitrisa dolara ny tohana omen’ny BNI Madagascar sy ny Société financière internationale (IFC) hanohanana ireo orinasa tena madinika, madinika ary salantsalany […]
Toe-karena
Hanamaitso ny tontolo iainana : Namboly zana-kazo 5 000 fototra mahery ny Fivoi
Nanatanteraka fambolen-kazo teny Ambatonapoaka, distrikan’Arivonimamo, ny sabotsy teo, ny antoko politika Fivoi-Fivoarana. Nitarika izany ny depiote Rajerison Antoine, sady filoha nasionaly mpanorina ny antoko, niaraka tamin’ireo solombavahoaka sy ben’ny Tanàna voafidy amin’ny anaran’ny antoko, notronin’ireo tantsaha maro. Novolena tamin’ny velaran-tany 10 ha, nandritra izany, ny zana-kazo manodidina ny 5 000 […]
VAOVAO TAMBATRA
Vita ny sabotsy alina teo ny asa maika fanarenan-dalana eo Soarano, ampitan’ny Building Ramaroson. Lavaka be no teo amin’ity toerana ity, niforona vokatry ny ranonorana nisesy sy noho ny fantson-drano tsentsina, ka nanimba ny tany ambanin’ny arabe. Tsy maintsy hoferana anefa ny vesatry ny fiara afaka mandalo eo, ho fikajiana […]
Fikambanana Justice et Paix: Mijanona eo akaikin’ny olona voailika
Natao sonia, omaly, ny firaiketana « mémorandum » eo amin’ny Fikambanana katolika, Justice et Paix, sy ny orinasa Base Toliara. Notsipihin’ny filohan’ny Vaomiera Justice et Paix, sady arsevekan’ Antsiranana, ny monseigneur Ramaroson Benjamin, fa mitoetra eo anivon’ny besinimaro, indrindra ny sokajin’olona voailikilika sy very zo ny fikambanana Justice et Paix. Satria ao […]
Vary safiotra: Ho lasa foibe famokarana masomboly ny any Menabe
Kendrena ho 5 000 t/taona ny masomboly vary safiotra hovokarina eto amintsika. Anisan’ny hamokatra izany ny any Menabe. Aparitaka tsikelikely ny faritra hametrahana foibe famokarana vary safiotra eto Madagasikara. Anisan’izany ny any Menabe, ka hanombohana ny fambolena voalohany ny any amin’ny fokontany Betsipotika, kaominina Analaiva, distrika Morondava. Efa any an-toerana ireo […]




