Toe-karena

Seranan-tsambon’i Katsepy: Tosika amin’ny fampandrosoana

Hampiakatra ny toekarena ao amin’ny distrikan’i Mitsinjo, faritra Boeny ny seranan-tsambo vaovao ao Katsepy. Hanamora ny fifanarahana ara-barotra sy ny fitateran’entana ity fotodrafitrasa ity ary hamorona asa ho an’ny tanora. Notokanana tamin’ny fom­ba ofisialy omaly, ny seranan-tsambo vao­vao ao Katsepy, distrikan’i Mitsinjo, faritra Boeny. Nita­rika ny lanona ny minisitry ny Fitaterana sy […]

Fanondranana lavanila : hitsipaka ny fepetra takina ny fanjakana malagasy

Tsy hanaiky ny tapaky ny Vaomiera eoropeanina izay ma­metra ny taha farany am­bony azo ekena amin’ny fisi­an’ny nikotinina ao anaty lavanila ny firenena malagasy. Hi­tsan­gana ny “task force” misy ny minisiteran’ny Fampirobo­ro­­boana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, ny mi­ni­siteran’ny Fambolena sy ny fi­ompiana ary ny minisiteran’ ny […]

CNaPS : tale jeneraly vaovao Rahaingonjatovo Vimbina

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 2 aogositra teo, ny fanendrena an-dRahaingonjatovo Vimbina, ho tale jeneraly (DG) vaovao, hitantana ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS). Miisa dimy ny nandrotsaka antontan-taratasy hofidin’ny fanjakana, ka izy izany no voasivana farany. Miverina miasa daholo ny mpiasan’ny CNaPS rehetra sady misokatra amin’ny ora mahazatra […]

Madagasikara sy La Réunion : fiaraha-miasa amin’ny seha-pihariana mitondra fampandrosoana

Mitohy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa isam-paritra eo amin’i Madagasikara sy La Réunion. Seha-pihariana maro no tsidihan’ny delegasiona malagasy ikarohana fiaraha-miombon’antoka sy lalam-barotra Mitsidika atsy La Réu­ni­on ny delegasiona tarihin’ny filohan’ny Ante­ni­mierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana, miaraka amin’ny Malagasy mpandraharaha. Manotrona azy ireo koa ny loholona isany, Eddie Fernand Serge (sady kestora) […]

Hetsika “Fier Mada” : hahafahana manondram-bokatra any ivelany

Fotoan-dehibe iray mampivondrona ny mpisehatra amin’ny fambolena sy ny fiompiana avy amin’ny faritra 23 manerana ny Nosy ny hetsika “foire internationale de l’économie rurale de Madagascar” (Fier-Mada) andiany faha-24, atao eny amin’ny kianja Maki Andohatapenaka. Niavaka ny hetsika tamin’ity taona ity. “Olom-baovao avokoa ny 60%-n’ ireo mpandray anjara”, hoy ny […]