Toe-karena

 Marolambo: nisitraka milina manana tanjaka 110 kW

Taorian’ny fahapotehana vokatry ny hasomparan’ny olona sasantsasany ny Jirama Marolambo, nitondra vahaolana avy hatrany ny teo anivon’ny fitondram-panjakana, ny alatsinainy teo. Notolorana milina mitondra tanjaka 110 kW  hamatsy  herinaratra ny mponina  ny tanànan’i Marolambo.  Hiainga avy any Toamasina, hanampy ny 50 kw efa ao Mahanoro ity milina io. “Atao araka […]

Instat sy BNI: hanampy ny orinasa madinika manana ny toerany

Nifanaraka ny Instat sy ny BNI, omaly, fa hiara-kiasa hifanome vaovao. Sambany nisian’ny fiaraha-miasa toy izany teo amin’ny sampandraharaham-panjakana iray sy ny sehatra tsy miankina. « Votoatin’ny fiarahan’ny roa tonta, ny Instat nomena alalana hanome vaovao ho an’izay mila antontanisa rehetra hanampiana azy ireo. Hatramin’izay isika tsy nazoto loatra nitrandraka ny […]

Fiarovana ny tontolo iainana: takiana ny fanavaozam-pitantanana

 Laharam-pahamehana ho amin’ny fahombiazan’ny rariny sy ny hitsiny ara-tontolo iainana ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny atrikasa niarahan’ny teo anivon’ny mpanelanelana ara-drariny ny Repoblika, ny tetikasa Hay Tao USAID ary ny vovonam-pirenena natolotra tetsy Antaninarenina, omaly. Manoloana ny loza mihatra amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana, nanao atrikasa an-databatra boribory hamahana ny tsy […]

« Bazar de Noél 2022 » : hanangonana tahiry ho an’ny tetikasa

Ny faran’ny herinandro teo ny « Wednesday Morning Group » na WMG nanatanteraka ny « Bazar de Noel 2022 » tao amin’ny Carlton. Teny filamatra ny hoe « Mieritreritra ny hafa izahay ». Anisan’ny mpikambana ao amin’ny WMG ny banky BNI nanamafy ny fanohanany ny hafa. Nanambatra ny heriny ireo vehivavy mpikambana nanangona tahiry hanatanterahana tetikasa. Toekarena tsara […]

Fanavaozana ny fananan-tany: miisa 679.969 ny titra, 472.322 ny kara-tany vita

Isan’ny fanavaozana, nanafainganana ny fahazoan’ny Malagasy taratasin-tany ny nametrahana ny kara-tany. Na izany aza, mbola maro ny ezaka natao satria ny 20%-n’ny tany eto amintsika ihany no vita titra sy kara-tany amin’izao taona 2022 izao, taorian’izay 17 taona nanavaozana azy izay. Nanomboka ny taona 2005 ny nanavaozana ny lalàna mikasika […]