Toe-karena

« Sommet Africain de l’énergie » : Nahavita fifanarahana roa sosona i Madagasikara

Vita sonia, omaly, ny fanambaran’i Dar es Salam sy ny fifanarahana nasionaly amin’ny angovo eto Madagasikara (Pacte National Energétique de Madagascar). Tondrozotra mamaritra ireo tanjona ho an’ny angovo sy ny tetiandro hanatanterahana ny tetikasa. Porofo izao fa vonona hanamafy ny fiara-miasa sy hanapariaka ny angovo ho an’ny rehetra ny fitondram-panjakana. […]

Fitantanana: Paikady ho an’ny fampiasam-bolam-panjakana

Notanterahina ny alakamisy teo, teny Anosy ny atrikasa ha­natsarana ny fitantanana ny fampiasam-bolam-panjakana. Tanjona ny hanatrarana 5% ny harinkarena faobe amin’ity taona ity. Noho izany, nofaritana nandritra ny fihaonana ireo lesoka teo aloha ka nandrosoana vahaolana mitondra mankany amin’ny fanovana ny fomba fiasa. Asa mahitsy, fahavononana, fanoloran-tena, fanarahana ny lalàna […]

« Sommet Africain de l’énergie-Mission 300 »: Hametraka ny fifanarahana momba ny angovo nasionaly i Madagasikara

Ho fantatra mandritra ny fihaonamben’ny filoham-panjakana ao Dar Es Salaam-Tanzanie, ny fifanarahana momba ny angovo nasionaly apetraky ny filoham-pirenena ho an’i Madagasikara. Anisan’ireo firenena hanolotra ny fifanarahana momba ny angovo na­sionaly (Pacte nationale pour l’énergie), izay hamaritra ireo tanjona momba ny angovo mila tratrarin’ny firenena tsirairay, mandritra ny fihaonamben’ny filoham-panjakana […]