Nanao vonjitaitra vaky namonjena ny fahavakisan’ny fefiloha eny Malaza Ampitatafika, ny fanjakana, omaly. Miisa 2 000 ny gony misy fasika entina hanarenana ny fefiloha. Teo koa ny fanomezana masomboly miisa 480 fonosana sy zezika manodidina ny 6 taonina, ity farany izay ho tonga eny an-toerana afaka efatra andro. Nentanina koa ny […]
Toe-karena
Trafika sokatra: Tambajotra hafa ny an’ilay depiote
Nanampy fanazavana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Andonirina Max Fontaine, omaly, mahakasika ny nandravana ny trafika sokatra iray teto amintsika. Fantatra fa tambajotra hafa mihitsy no iarahan’ilay solombavambahoaka nahatrarana sokatra miisa 112, ny 26 desambra 2024 teny Ambohibao. Raha ilay tambajotra rava ny faran’ny herinandro teo, […]
Harena an-kibon’ ny tany: Niakatra ho 15 600 dolara/t ny vidin’ny nikela
Miovaova ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mahatonga izany ny famokarana ny bateria ho an’ny fiara eletronika. Miankina amin’ny lalan’ny tolotra sy ny tinady ny vidin-javatra. Araka ny vaovao navoakan’ny gazety boky mahakasika ny toekarena iraisam-pirenena, Agence Ecofin, tafidina 14 800 $/t ny vidin’ny nikela ny 3 janoary ary nisondrotra […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 552 ireo nahazoan’i Madagasikara fifandraisana sy nampanantena ny hanjifa ny vokatra malagasy, nandritra ny hetsika « Food Ingredients Europe » (FIE), ny 19-24 novambra 2024 tany Francfort-Alemaina. Lafo avokoa ny ankamaroan’ny lavanila « bio » ho an’ireo orinasa mpisehatra amin’izany. Hitombo, araka izany, ny vola miditra amin’izy ireo. Voatazona ny 18 000 « palettes » tamin’ny […]
RN9 : Ho vita amin’ny 2026 ny tetezan’i Mangoky
Efa manomboka ny asa fananganana ny tetezan’i Mangoky eo Bevoay any amin’ny lalam-pirenena RN9. Tsy mora ny asa fa mila fanadihadiana lalina ampiasana ny teknolojia avo lenta. Satria, lava dia lava ity tetezana vaovao ity, mirefy 900 km. Efa am-perinasa ny orinasa sinoa CRBC, manadihady ny herin’ny renirano, ka nohalavaina […]




