Toe-karena

Mitohy ny trafika: teratany sinoa telo lahy tratra nitondra sokatra 105 teny Ivato

Tsy mety tapitra ny fanondranana antsokosoko sokatra mankany Azia. Tratran’ny Sampandraharahan’ny ladoany teny Ivato ny teratany sinoa telo lahy nitondra sokatra miisa 105, omaly. Tsy mety fay! Mitohy ny fikasana hanondrana antsokosoko ny harem-pirenena voajanahary mankany ivelany. Mpandeha teratany sinoa telo mirahalahy no nitondra zana-tsokatra miisa 105, ny talata 14 […]

Tapaka ny RN6: taterina amin’ny vedety ny olona any Mahavavy

Tapaka ny lalam-pirenena faha-6, eo amin’ny reniranon’i Mahavavy, vokatry ny rivodoza Dikeledi. Ny fiara kely ihany koa no afaka miampita eo amin’ny tetezana any Manambery, RN5. Tototry ny rano ny fivilian-dalana vonjimaika miampita ny reniranon’i Mahavavy amin’ny lalam-pirenena faha-6, vokatry ny rivodoza Dikeledi. Tapaka ny fifamoivoizana ho an’ny fiara rehetra, […]

Fieferamanga Arivonimamo: zana-kazo miisa 1 800 nambolena

Velaran-tany 53ha no nambolen’ny minisiteran’ny Toe­karena sy ny fitantanam-bola zana-kazo “érables” sy “frênes” ny zoma teo, tany Fieferamanga Arivonimamo. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fambolen-kazo tanterahin’ny fitondram-panjakana nanomboka ny 16 desambra 2024 izany. Tanjona ny handrakofana ala ny toerana tafiditra ao anatin’ny tetikasa filamatry ny fitondram-panjakana « Ankohonana miarina ». Eo koa ny […]

Toekarena manga: mpanjono maherin’ny 500 nisitraka fampitaovana

Vata fanodinana trondro lena ho lasa trondro saly na « fumoir » miisa 11 sy « tracteur frigorifique » no natolotry ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, sy ny minisitry ny Rano sy ny fidiovana, Andria­mamelasoa Lalaina, ireo mpanjono maherin’ny 500 tao amin’ny kaominina Maroalo­mainty, distrika Ambovombe, faritra Androy, omaly. […]

Fambolena ho an’ny taona 2025: hampitomboina 1 tapitrisa taonina ny famokarana vary akotry

Vina apetraky ny fitondram-panjakana ny hampiroborobo ny sehatra voalohany. Maherin’ny 7,8% ny taham-piakarana andrasana ka ho maherin’ny 9,5% ny sehatry ny fambolena amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny famokarana vary akotry hatrany amin’ny 1 tapitrisa taonina. Entina hanatanterahana izany ny fampirobo­ro­boana ny teknika « PFUMVUDZA » izay mita­hiry hamandoan’ny tany. Ho ampiasaina eto […]