Toe-karena

Harena an-kibon’ny tany : hampandroso ny any Atsimo Andrefana ny tetikasa “Taratra”

Tanjon’ny tetikasa “Taratra”, tanterahin’ny Eglizy Katolika ny hisitrahan’ny Malagasy ny tombontsoa amin’ny harena voajanahary. Maro ny efa nataony tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Novolavolaina ny taona 2009 ny tetikasa “Tara­tra”, tanterahin’ny Eglizy Katolika. Manana otrikarena ambanin’ny tany goavana ny faritra Atsimo An­drefana toy ny […]

« Foire internationale de l’agriculture »: hanome sehatra ny tanora amin’ny fanodinam-bokatra 

Hampifandray ny tanora sy ny orinasa mpanodim-bokatra ary ireo mpiantsehatra ao anatin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ny « Foire internationale de l’agriculture ». Miandrandra fifanaraham-piaraha-miasa ireo mpandray anjara rehetra. Hetsika anisan’ny andrasan’ny maro ny « Foire internationale de l’agriculture » (FIA), noho izy manokatra varavarana samihafa fa indrindra ny fampananan’asa […]

Fizahantany: ivon’ny fampandrosoana ny toekarena manga

Seha-pihariana mifandray sy mifanampy amin’ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasiakara ny fizahantany sy ny toekarena manga. Miteraka asa, mampidi-bola ary mampahafantatra kolontsaina sy asa  tanana maro eo anivon’ny fiarahamonina mipetraka amorontsiraka ny fizahantany. Araka izany, nanamafy ny fiaraha-miasany ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, omaly. Nisy […]

Arolozan’ny fifamoivoizana: voarara ny mampiasa jiro mahajambena

Mandrara ny fampiasana jiro tsy ara-dalàna amin’ny fiarakodia sy amin’ny fiara kodiaran-droa na telo misy maotera na tsia ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Misy ny naoty nivoaka mandrara ny fampiasana jiro mahajambena sy rendrarendra amin’ny fiarakodia manerana ny Nosy mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Misy, hoy izy, ny […]

Fifanakalozana: tsy mitsahatra mitotongana ny sandan’ny Ariary

Faritan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) ny politikan’ny fifanakalozana eto an-toerana, ka ny tsena no maneho izany. Izany hoe, ny tolotra sy ny tinady no mamaritra ny sandan’ny  vola Ariary raha ampitahana amin’ny vola vahiny. Nisongadina tato ho ato ny fitotongan’ny vola Ariary noho ny tsy fisian’ny tsena fifanakalozana, indrindra zara […]