Toe-karena

Ambatolampy-Antehiroka: mpiompy 539 nahazo zanak’akoho 6 000

Ao anatin’ny politikam-panjakana ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fiompiana. Nisitraka zanak’akoho hatramin’ny 6 000 isa ny mpiompy 539, mpikambana ao amin’ny “Rise and shine”, ny sabotsy teo, teny Ambatolampy Ambohibao. Mahavelona ny fiompiana akoho ary anisan’ny sakafo mitondra hery sy fahasalamana izany. Manodidina ny 2 700 ireo nahavita fiofanana momba ny […]

Orinasa Sema Eau vive: nahazo jiro ny tananan’ Andranovelona

Mandray anjara feno amin’ny maha orinasa tompon’andraikitra azy eo amin’ny fiarahamonina (RSE) ny Sema Eau vive, eo ambany fiahian’ny Star. Notolorana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa valo ny fokontany Andranovelona, toerana iorenan’ny ozinina mamokatra rano fisotro amin’ny tavoahangy, Eau vive. Mazava daholo izao ny miditra sy mivoaka ny tanàna. […]

« Tetikasa PURPA »: tantsaha 126 200 hahazo tohana hana-pamokarana

Hipaka mivantana amin’ny mpamokatra maro manerana ny Nosy ny tetikasa “PURPA”. Betsaka ny tombontsoa azo tsapain-tanana mandritra ny roa taona hanatanterahana izany. Drafitrasa hanohanana ny tantsaha sy hampiroboroboina ny sehatry ny fambolena ny tetikasa “Projet d’urgence de renforcement de la production alimentaire”, (PURPA), izay hiasa eto Madagasikara mandritra ny roa […]