Toe-karena

Madagascar Airlines : Mihena 50% ny saran’ny tapakila

Tafidina hatrany amin’ny 50% ny saran’ny tapakila ho an’ny sidina anatiny ataon’ny Madagascar Airlines amin’ny taona 2025. Tolotra manokana ataony amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona izao. « Manan-kery ho an’ireo mividy tapakila hatramin’ny 5 janoary 2025 ity tolotra ity », hoy ny fampitam-baovaon’ny orinasa. Fotoana izao hahafahan’ireo mpandeha manararaotra ny tolotra […]

QMM: Hanohana ny fambolena lovainjafy ataon’ny tantsaha

Tetikasa RSE ataon’ny QIT Madagascar Minerals (QMM) ny fiaraha-miasa amin’ny faritra Anosy sy ny fitantanam-paritry ny Fambolena sy ny fiompiana (DRAE) any an-toerana. Nisy ny fampitaovana an’ireo tantsaha mpamboly miisa 12 000 ny alarobia teo, tany Ampasy-Nahampoana, distrikan’i Tôlagnaro. Hetsika hanohanana ny fambolen’ny tantsaha ny natao. Nisitraka masomboly, zezika ary doria […]

Yas Madagascar sy ny UNFPA : Manohana ny CSB II hamonjena aina

Miara-miombon’antoka ho an’ny fanatsarana ny fiainam-piarahamonina sy ny fampandrosoana lovainjafy ny Yas Madagascar sy ny UNFPA amin’ny alalan’ny fampitaovana ireo tobim-pahasalamana fototra, CSB II, eto Madagasikara. Tanjona ny hiantohana ny fiterahana sy fitsaboana ara-kalitao. Fanamby lehibe ho an’ny ankamaroan’ireo CSB II ny fisitrahana ny herinaratra. Voatery mampiasa izay eo am-pelatanany […]

Mikatsaka ny tsara hatrany : Nahazo Iso 14001 sy Iso 45001 ny Yas

Fitaratra eo amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra. Dingana lehibe ho an’ny Yas ny fahazoana ny mari-pankasitrahana, Iso 14001 sy ny Iso 45001. Misongadina ity tambajotram-pifandraisandavitra ity amin’ny alalan’ny kalitaon’ny tolotra omeny, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fikarakarana ireo mpiara-miasa ao aminy. Nandray ireo mari-pankasitrahana avy amin’ny talem-paritry ny « Certification […]

Taom-piotazana letisia 2024-2025 : Nanondrana 18 000 palettes isika

Tratra ny fatrana letisia naondrana teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ity taona ity. « Tafakatra hatrany amin’ny 18 000 palettes ny vokatra nentin’ireo sambo efatra avy any ivelany raha toa ka 16 000 palettes izany tamin’ny taon-dasa. Efa ahitana ny vokatra letisia ihany koa eto amin’ny tsena anatiny », hoy ny tale jeneralin’ny varotra, Razanakoto […]