Toe-karena

Toby ao Ranomafana : hanampy amin’ny famokarana herinaratra ho an’Antananarivo

Hamokatra 64MW ka hamatsy ny 25% ny filan’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) sy ny manodidina ny toby mpamokatra herinaratra avy amin’ny riandrano ao Ranomafana, distrika Ankazobe. Hitombo ny angovo ho azo raha hihena kosa ny fiankinandoha amin’ny famokarana herinaratra ampiasana solika fa indrindra hampihena ny vidin-jiro ho an’ny mpanjifa ny fotodrafitrasa […]

VAOVAO TAMBATRA

Vidina 2 600Ar ny kilaon’ny vary Stock, 3 560Ar kosa ny iray kilao amin’ny vary Makalioka raha 3 160Ar ny vary Semance sy ny vary gasy mavokely eny amin’ny tsenan’Anosibe. Manana safidy ny mpanjifa amin’ireo karazam-bary tiany araka ny fahefa-mividiny. Na izany, tokony hifampitsinjo ny samy Malagasy ialana amin’ny fanararaotana. Tanterahana ao amin’ny […]

Fitantanana ireo faritra arovana: Famatsiam-bola 35 tapitrisa euros azon’i Madagasikara

Mitentina hatrany amin’ny 175 Miliara Ariary na koa 35 ta­pitrisa euros ny famatsiam-bola omen’ny Vondrona eoropeanina ho an’ny fandaharanasa « Faritra Arovana Mi­rindra » (Fa­mindra). Fama­tsiam-bola natokana ho an’ny faritra arovana sy ny fiarovana ny harena voajanahary an-tanety sy an-dranomasina. Nanao sonia izany ny masoivoho ny vondrona eoropeanina sy kaomoro eto Madaga­sikara, […]

Base Toliara : mandritra ny 14 volana ny fandraisana mpiasa

Mampahafantatra ny mponina ny fisokafan’ny Base Toliara indray ny tomponandraiki-panjakana. Hitondra fampandrosoana maro eny ifotony ity tetikasa ity. Midina ifotony ny tomponandraiki-panjakana milaza mivantana amin’ny mponina fa miverina misokatra ny orinasa Base To­liara, araka ny filankevitry ny minisitra, nivoaka ny 29 no­vambra 2024 teo. Voakasiky ny tetikasa ny kaominina mi­isa […]

« Point focal Jeritany» : Hanangona ny vaovao momba ny fananantany

«Hikirakira ireo antontam-baovao mahakasika ny fananantany rehetra eto Mada­gasi­kara ny Point focal Jeri­tany», hoy i Soavinalahatra Nasolo­arijery, mpandrindra nasionalin’ny Sehatra iombonana ho an’ny fananantany (Sif), omaly, nandritra ny fampiofanana natao teny Faravohitra. Aorian’ izay, hohalalinina sy hofakafakaina, hoy izy, ny antontan-kevitra voaray ary hanaovana adisisika eo anivon’ny firaisamonimpirenena. Noho izany, […]