Toe-karena

Tetikasa “Lead asa 400”: mponina 2 tapitrisa hisitraka herinaratry ny Jirama

Anisan’ny paikady hampitomboana ny ambaindain’ny orinasa Jirama ny fanitarana ny tambajotra. Kendrena ny hampidirana jiro any amin’ireo faritra na toerana tsy mbola misitraka herinaratra. Tafiditra ao anatin’ny velirano faharoan’ny Filoha Rajoelina, ny hoe «Herinaratra ho an’ny rehetra». Anisan’ny hanatanterahana izany ny tetikasa “Lead asa 400” sy ny PDDR-CERC. Mamatsy vola […]

Banky Iraisam-pirenena : tsy ho tratra ny tanjon’ny rano fisotro madio

Namoaka tatitra ny Banky Iraisam-pirenena. Aminy, tsy ho tratra ny tanjona napetraka ho an’ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) apetraky ny Firenena Mikam­bana mikasika ny rano fisotro madio. Raha ny antontanisa navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena, manodidina ny 1,6 mi­liara ny olona tsy manana rano fisotro madio hatramin’ny taona 2030. Miisa 2,8 miliara […]

WWF: manana ny lanjany amin’ny fiarovana ny tontolo mananaina ny tanora

Manome vahana ny tanora malagasy ny WWF, amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zava-mananaina. Tohanana izy ireo, mba hanana fahaiza-mitarika eo amin’ny fiarahamonina. Araka ny antontanisa na­voakan’ny rafitry ny Fi­renena Mikambana mi­sahana ny mponina (UNFPA), latsaky ny 25 taona ny 2/3-n’ ny Malagasy (64%). Latsaky ny 15 taona ny […]

Karazan-javamananaina : mirindra ny fampivadiana azy amin’ny fambolena

Tsara ny tombana tamin’ ny fampidirana ny karazan-javamananaina eo amin’ny sehatry ny fambolena eto Madagasikara. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny fiaraha-mientan’ny mpisehatra avy amin’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana, ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ary ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Nisy ny atrikasa nahafahan’ireo mpi­antsehatra fototra […]