Toe-karena

QMM: 4 tapitrisa dolara ho an’ny sosialy

Misy ny fifanarahana vaovao eo amin’ ny orinasa QMM sy ny fanjakana mala­gasy, hampiroboroboana ny sosialy mipaka eny ifotony. Anisan’izany ny fa­matsian-drano, ny jono, ny fanabeaza­na, sns. Nisy atrikasa tany Taolagnaro, ny herinandro lasa teo, niarahan’ny orinasa QMM sy ny fanjakana malagasy. Niompana tamin’ny ezaka ataon’ity orinasa ity amin’ny lafiny […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 232 688 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara, nandritra ny 11 volana, taona 2024. Mahatratra 26 158 ireo antontanisan’ny mpizahatany nitsidika ny Nosy malagasy nandritra ny volana novambra teo. Niakatra ity taherimarika ity raha oharina ny tamin’ny taona 2019 izay 23 980. Porofo izao fa manomboka miarina ny sehatry ny fizahantany eto amintsika. […]

Krismasy mizara hafaliana: mamy ny fiarahana tamin’ny Orange Madagascar

Vonona hiara-hiaina sy hitondra fampandrosoana ary hanohana ny Malagasy hatrany ny Orange Madagascar. Nisy ny hetsika « Krismasy mizara hafaliana » niarahany nitotorebika tamin’ireo mpanjifa, mpiara-miombon’antoka samihafa, mpiasa avy ao amin’ny Orange Madagascar ary ireo ankizy avy ao amin’ny fikambanana Orange solidarité Madagascar, teny Ilafy, omaly. Fotoana mamy nifampizaran’ny rehetra hafaliana amin’izao […]

MIC : Hanao varavarana misokatra

Hifampizara ireo asa ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), mandritra ny varavarana misokatra ho an’ny rehetra ny 17 sy 18 desambra, eny Ambohidahy.Tanjona ny hanomezana sehatra sy hifampizarana ny asa ataon’ny minisitera. Hampahafantariny, mandritra izany, ny asa vita sy ireo fandaharanasa isan-karazany. […]

IndriConnect : Vovonana mampifandray ny mpiaro ny tontolo iainana

Vovonana ahitana ireo antontam-baovao, hita sy torohevitra ary torolalana, ho an’ireo mpisehatra samihafa ao anatin’ny tontolo iainana ny IndriConnect . Nampahafantarin’ny Ini­tia­tive for Development Restoration Ecological and Innovation (Indri), ny zoma teo, teny Ambodivona, ity vovonana niomerika ity. « Tanjona ny hanamorana ny fahazoana ireo antontam-baovao ho an’ireo mpisehatra amin’ny fiarovana ny […]