Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Niofana mahakasika ny fanatavezana drakaka ny mpikambana ao anatin’ny VOI FMM any amin’ ny fokontany Antrema, kaominina Katsepy, distrika Mitsinjo, ny 6 sy 7 desambra teo. Nisy koa ny fomba fanamboarana dobo amin’ny fiompiana drakaka. Tanjona ny hanatsarana ny fihariana ataon’izy ireo sady hampitoboana ny fidiram-bolany. Nanohana ny fiofanana ny […]

Toamasina: Hanao lavanty ny ladoany

Hanomboka amin’ny alakamisy 12 izao, hatramin’ny 16 desambra, ny lavanty am­pahi­bemaso ao amin’ny orinasa SMMC sy MICTSL, ao amin’ ny seranan-tsambon’i Toama­sina. Karazany maro ny ha­midy amin’izany, ahitana fiara, entana anaty kaontenera karazany 113, ka manomboka amin’ny 10 000 Ar ny tombana hatramin’ny 1 miliara Ar. Ni­laza ny lehiben’ny fadintseranana Toamasina, […]

Harena ambanin’ny tany: Hamokatra fasimainty 960 000 t isan-taona ny Base Toliara

Karazan-tany efatra no hotrandrahin’ny Base Toliara. Efa misy fahazoan-dalana, ny fasimainty, ny zircon, ny rutile, fa mbola hakana fahazoan-dalana vaovao ny monazite. Araka ny efa fantatra, hanohy ny fihariany ny orinasa Base Toliara, rehefa nihantona nandritra ny 5 taona. Miisa telo ny karazana akoram-pasika (sables minéralisés) voafa­ritra ao anatin’ny fanadihadiana […]

Fizahantany RN7: «Influenceurs» miisa 10 hampahalala ny any Atsimo

Nampahafantarin’ny tale mpanatanteraka (D.E) ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM), Bari­velo Danny, ny sabotsy teo, ny tetikasa «Madagascar Inchar­ted : Behind the Baobabs». Miara-miombon’antoka amin’ny tetikasa ny orinasa Where is This, matihanina amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany maneran-tany. Vahiny miisa 10 avy any amin’ny firenena samihafa (Eoropa, Afrika, Azia, Aostralia) […]

VAOVAO TAMBATRA

Hikatona ny 15 desambra 2024 hatramin’ny 31 janoary 2025, ny fotoam-panjonoana horita any amin’ny distrika Toliara II. Voakasik’izany ny kaominina Beheloke sy Anakao. Nentanina azy ireo ny fanajana ny fepetra mba hisian’ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina. Nampahatsiahivina azy ireo koa fa 350 grama ny fetran’ny lanjan’ny horita iray farany […]